Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

NY HERIN’NY FINOANA

II Tan 24, 17-22 / Alahady 09 aogositra 2020 1/ Hahitanao zava-mahagaga tsy takatry ny saina eritreretina.

Ny fomba fiatrehina olana, araka ny fampianaran’i Paoly

Asa 20, 17-24/Fanompoam-pivavahana isan-tokantrano Alahady 2 aogositra 2020 Ny Asa Fitoriana ny Filazantsara no hafatra napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany, izay mbola tohizan’ny fiangonana mandrak’ankehitriny. Efa nampiomana anefa Izy fa ho sarotra ny asa, ka izay fomba fiatrehina ny olana izay no ampianaran’i Paoly. Io no toriteny nandritra ny fotoam-bavaka isan-tokatrano ny Alahady 02 aogositra […]

KRISTIANA MIHAMAHERY – 2 Timoty 2, 1 – 7

Mitombo taona ny olombelona fa mihena ny herin’ny vatana. Mitombo taona ny olombelona fa tokony mitombo arak’izany ny herim-pinoana izay avy amin’ny fahasoavana. Ny kristiana izay nandray an’i Jesoa Kristy dia tokony hitombo sy hihamahery ara-panahy. Misy anefa ny dingana tokony arahina ka ireo no nazavaini Mpitandrina RAVELOSOA Mickael nandritra ny fotoam-bavaka isan-tokantrano ny Alahady […]

MIOVA IANAO REHEFA MIHAONA AMIN’I JESOA – Jaona 4

Ny resak’i Jesoa Kristy sy ilay vehivavy samaritana no nangalan’i Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny fampianarana nandritra ny fotoam-pivavahana isan-tokantrano ny Alahady 19 jolay 2020. Vehivavy ratsy endrika teo imason’ny fiarahamonina ilay vehivavy samaritana satria dia mpaka vadin’olona.

AHIAHY, ARETINA, FAHANTRANA, FAHAFATESANA…Vahan’i Jesoa Kristy (Lioka 7, 18-23)

AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO. Ao anatin’io lohahevitra io no entin’ny FJKM hankaherezana ny mpino Kristiana rehetra hiatrehina izao valan’aretina coronavirus izao. Raha mbola seriny amin’ny fampiasana ny fahaizana sy ny fahalalany ny olombelona hitadiavana ny fanefitra, dia te haneho Andriamanitra fa Azy irery ihany ny Hery sy ny Fahefana.

Ilay jamba nositranin’i Jesoa, ahoana kosa ity valan’aretina ity ?

Mahagaga ny fiasan’Andriamanitra, fa raha tamin’ny taon-dasa no nandaharana ny perikopa FJKM vakiana mandritra ity taona 2020 ity, dia voalahatra vakiana ny Alahady 5 jolay 2020 lasa teo ny Jaona 9. 30-38, izay mitantara indrindra ny nanasitranan’i Jesoa Kristy ilay jamba. Io andro io ihany koa no nandraisan’ny fitondram-panjakana ny fepetra fihiboahana noho ny fiparitahan’ny […]