Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

SAFIF FJKM KATEDRALY ANALAKELY : HANANGANA AKANY FITAIZANA TANORA

Ho fahatsiarovana ny faha-25 taona niorenany dia manana vinavinan’asa ny Sampana Fifohazana (SAFIF) eto amin’ny Katedraly Analakely. Tsangambato no hajoro amin’ity taom-pankalazana ity. Akany fitaizana tanora no atsangana mandritra ny dimy taona manaraka (2024-2028). Fanamby amin’izany ny fitaomana ireo madiniky ny Tompo hifindra lasy, hiala amin’ny fahotana ka hialoka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ary ny fikoloana […]

TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE

« Mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. « Marka 16: 15b Notontosaina ny 16-17-18 / 05 / 2023 ny TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE.Fivondronana ANDRIAMPOTSY.NY FITANDREMANA MIADAMPAHONINA, ivondronan’ny tanàna telo antsoina hoe Miadampahonina sy Ikianjasoa ary Miadamandroso no toerana nanaovana ny TAFIKA MASINA. Eo Tsiroanomandidy tampotanàna no mianavaratra manaraka lalantany mirefy 80 km izay ataon’ny fiara tsimataodalana ora […]

FANTARO NY ZAVA-MAHADOMELINA SY NY FIASANA

Nandritra ny zoma mahafinaritra izay notanterahin’ny sampana TAFIKA no nandraisan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael sy ny Dokotera RAKOTOARIVONY Manitra anjara, ho fanazavana sy fampianarana ny zava-mahadomelina izay efa miparitaka eo anivon’ny tanora amin’izao fotoana izao.

FARITRA, fomba fiasa manakaiky ny mpiangona

Andry iray lehibe ijoroan’ny fiangonana ny fiombonan’ny mpino ao aminy ary ny fifanatonany akaiky. Ny famantarana ny zava-misy eny ifotony koa dia tena manamora ny asa. Ireo no tanjona kinendry amin’ny fitsinjaram-paritra, fomba fiasa vaovao apetraka tsy ho ela eto amin’ny FJKM Analakely. Araho etoana ny fanazavana mahakasika izany.

FANOKAFANA NY JOBILY FAHA-25 TAONAN’NY SAFIF: HO FIFOHAZANA MIZARA FITIAVANA

Mankalaza ny faha-dimy amby roapolo taona niorenany ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Katedraly Analakely amin’ity taona 2023-2024 ity ary notanterahina ny alahady 23 aprily 2023 lasa teo ny fanokafana ny jobily fankalazana araka ny fombam-piangonana. « FIFOHAZANA MIAINA SY MAMPIAINA NY FIFANKATIAVANA » : io no hafatra makadiry nampitain’ny mpitandrina ho an’ireo mpikambana, izay samy nisalotra […]