Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

« AFTER » ISAKY NY ZOMA FARANY AMIN’NY VOLANA

« Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? ny fitandremana araka ny teninao » Salamo 119, 9 Hetsika iray hatsangan’ny sampana T.A.FI.K.A ( Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely) eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Zoma Mahafinaritra, ka ny zoma 24 febroary 2023 no hanomboka izany, izay hanomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora […]

AMPY AHY

Toy ny fanao mahazatra dia natokan’ny Fiangonana Reniny ho an’ny Antoko Mpihira Analakely (AMA) ny volana Febroary. Ho faranana amin’ny Antsam-piderana goavana nampitondraina ny loha-hevitra hoe « Ampy ahy » izany ny Alahady 26 Aogositra 2023 amin’ny 2ora sasany hariva.

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

« Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho » Salamo 51, 8a Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.

ALAHADIN’NY FI.MPI.Z.KA – NIREDONA NY FEO MOZIKA

Toy ny programan’ny fiangonana isan-taona dia ny Alahady faha-dimin’ny volana janoary no hatokan’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely ho Alahadin’ny FI.MPI.Z.KA na ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely, ka ny Alahady 29 janoary 2023 lasa teo izany. Ny Salamo faha-150 taona no teny notorian’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael.

TSIAHY MIKASIKA NY FANORENANA NY FIANGONANA HO LASA KATEDRALY ANALAKELY (Taona 1954-1973)

FAMPIDIRANA :Marihina eto ampiandohana fa talohan’ny taona 1954, ny fefin’ny Fiangonana dia niorina nanaraka ny sisin’ arabe izay nahitana vavahady vy anankiroa miloko mainty: ny lalan-kely (allée) roa fidirana dia voarakotra vato fisaka (ny andaniny telo kosa dia voavoly ahitra milenodenoka, ahitana voninkazo raozy sy hazo coco ary apanga vaventy) samy mipaka eo amin’ny totohabato […]