Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

KATEKOMENA ANDIANY MINO – FANAKY NY FAMINDRAMPO

Fotoan-dehibe ny Alahady 08 janoary 2023 teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely satria notokanana ho mpandray Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena izay nisalotra ny anarana hoe « MINO FANAKY NY FAMINDRAMPO » ka nandritra ny fidirana faharoa tamin’ny 10 ora maraina no nanaovana izany.

SAMPANASA BIBLIOTEKA : ATELIER DE VACANCES

« Milalao sy mifaly miaraka amin’i Jesoa » Hetsika vaovao noforonon’ny Sampanasa Biblioteka ny « Atelier de vacances », nentina indrindra hampizatra ny ankizy fa afaka tsara hatao ny milalao any an-tranon’Andriamanitra. Fanatevenana ny fitaizana omena ny ankizy izany mba hifameno amin’ireo fitaizana omen’ny sampana hafa toy ny Sekoly Alahady, SAMPATI sns…3 taona ka hatramin’ny 18 taona no afaka […]

FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Haingana tokoa ny asa

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangambato » Jeremia 31, 21a Ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA no tsangambato faharoa nankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely. Enim-bolana taorian’ny nandatsahana ny vato fototra, ny faha-19 jona 2022 lasa teo dia mitsangana ny fiangonana ankehitriny, voatafo ny 80% ary efa nampiasaina izany nankalazana ny Kirsmasy 2022.

AMPANDRAIKILANDY : Sôma Krismasy 2022

II Tantara 30, 26a « Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema » « Fifaliana » io ny teny tokana azo hilazana ny fankalazana ny Krismary 2022 tany Ampandraikilandy. Noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiangonany dia voatafo soamantsara ny ilany lehibe ny trano fiangonana. Afaka nankalaza ny Krismasy tao anatiny ny Kristiana tany an-toerana, eny na dia tsy mbola vita tanteraka […]

Nifarana ny fankalazana ny faha-160 taona, mifalia fa velona ny Finoana

Nifarana ny fankalazana, nanakoako ny lakolosy, na ny teto Analakely, na ny tany Ampandriankilandy Dera sy laza no hasandratra ho Azy Andriamanitra tompon’ny fiangonana fa tojo amin’ny famaranana ny fotom-pankalazana Azy ny fiangonana, noho ny nahatratrarana ny faha-160 taona nijoroany. Notontosaina izany ny Alahady 04 desambra 2022 nandritra ny fidirana anankiroa. Tonga manokana nitarika io […]