Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, notokanana ara-pombam-piangonana

Araka ny tetiandro naroson’ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy avy eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia tontosa ny Alahady 11 jona 2023 ny fitokanana ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, izay tsangambato faharoa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely.

FJKM AMPANDRIANKILANDY : LOKO SISA

Mahafaly ny Komity Teknika Taotrano (KTT) izay voatendry hanara-maso ny asa eny Ampandriakilandy ny mampahafantatra antsika fa taorian’ny procès verbal de réception des travaux notanterahina tamin’ny 29 martsa lasa teo dia hita fa vita soamantsara ny gros oeuvre, izay niainga tany amin’ny fototra, niampita tamin’ny rindrina, ny tafo ary ny varavarana sy varavarankely rehetra, ny […]

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

« Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho » Salamo 51, 8a Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.

ANJARA BIRIKY FJKM AMPANDRIANKILANDY

https://drive.google.com/file/d/1CGpsTtTAB59uWj9AgUgyMbsp4lSB5_Hk/view?usp=sharing Io rohy io no hahafahanao mandalina bebe kokoa mikasika ny asa fananganana ny fiangonana FJKM Ampandriankilandy Fiadanana. Voazava ao amin’ny antsipiriany ny mikasika an’Ampandriankilandy, ny tantaran niforonan’ny fiangonana, ny mahakasika ny tao tranon’ny fiangonana. Mahefà be amin’ny asa fa tsy foana ny fikelezantsika aina.

POSTE D’EVANGELISATION AMPANDRIANKILANDY

NY FIORENANY sy FITOMBOANY  Fitandremana nitambatra tamin’ny Fiangonana 70 mahery tany aloha nentina Mpitandrina delege 01 Nankatoavina ho Poste d’Evangélisation (P.Ev. na saha vaovao) tamin’ny 2014, isany zandriny indrindra Nahazo Mpitandrina voalohany tena azy manokana ary mitondra azy hatramin’izao Ny Commune Ampandriankilandy manontolo no sahan’ny Poste izay zarain’ny renirano Tsinjomorona Fiangonana 05 tamin’ny nanombohana (2015) […]

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : TSANGAMBATO FAHAROA

« Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato » Jer 31.21a Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-160 taona niorenan’ny FJKM Katedraly Analakely ka dia ankehitriny hiditra amin’ny dingana faharoa amin’ny tetikasa isika dia ny fananganana fiangonana ao amin’ny kaominin’ Ampandriankilandy, distrikan’ Antsohihy, faritr’i SOFIA. Azo antoka fa ny tranon’Andriamanitra izay hiorina eny an-toerana dia  marika famantarana mipetraka […]