FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Ho vita ny vatan’ny fiangonana

Ny 19 jona 2022 no nametrahana ny vato fototry ny fiangonana, telo volana aty aoriana efa tonga amin’ny haavony ny rindrina efatry ny fiangonana. Miakatra tsikelikely ny tilikambo ka hovitaina ny 10 metatra, izay avo indrindra amin’ny tilikambo.

Hiroso amin’ny fanomanana ny coffrage chéneau en Beton Armé sy ny Arc en Beton Armé eo amin’ny alitara ary ny famaranana ny rindrina eo amin’ny Tilikambo telo isika ankehitriny dia vita ny travaux “Phase II”. Voahaja tsara ny fetr’andro hamitana ny Phase II. Ny fanamboarana ny varavarana sy ny varavaran-kely ary ny ferme en charpente métallique dia efa ho vita ny faha-18 septambra. Misaotra ny rehetra ary mbola matoky ny herin’Andriamanitra hiasa amin’ny Mpino rehetra eto amin’ny Fiangonany hamitana ny asa. Hisaorany ny Tompo ary ho Azy ny voninahitra

Anisan’ny mahatsapa fa manana adidy amin’ny fananganana ny Taranaka sy ny Zanak’ampielezana Katedraly Analakely. Nijery ifotony tany Ampandriakilandy ny Filohan’ny Fikambanan’ny TZP K.A., Ramatoa RAZAFIMAHAZO Maryse Danielle. Ny TZP K.A. moa dia efa nanome tokony fa hisy ny fandraisana anjara fa ankehitriny dia mbola ao anatin’ny fanentanana isam-pianakaviana sy isa-taranaka tanteraka. Nisy moa ny boatin-drakitra manana endrika fiangonana izay efa naparitaka, fa misy ihany koa ny valopy vokatra izay efa nozaraina tamin’ny Alahadin’ny TZP farany teo. Ireo zanaky ny fiangonana any am-pita moa dia efa mandefa ny fandraisan’anjaran’izy ireo tsikelikely.

Tsiahivina fohy fa mizara efatra ny fanamboarana ny fiangonana, ka ankehitriny dia ao anatin’ny phase II isika izao. 198 millions Ariary eo no totalim-bidin’ny vinavina ka efa nampiasaina ny antsasak’izany. Mino ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra amin’ny Kristiana rehetra mba hanohy hatrany ny ezaka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email