FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : TSANGAMBATO FAHAROA

« Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato » Jer 31.21a

Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-160 taona niorenan’ny FJKM Katedraly Analakely ka dia ankehitriny hiditra amin’ny dingana faharoa amin’ny tetikasa isika dia ny fananganana fiangonana ao amin’ny kaominin’ Ampandriankilandy, distrikan’ Antsohihy, faritr’i SOFIA.

Azo antoka fa ny tranon’Andriamanitra izay hiorina eny an-toerana dia  marika famantarana mipetraka holovan’ny taranaka. Ny fanapariahana ny Filazantsara sy ny fizarana ny Vaovao mahafaly no tanjona, araka ny voasoratra hoe: “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay”, II Kor 5: 20.

Ry havana, noho ny halehiben’ny finoanareo sy ny fandavan-tenanareo ary ny fandraisanareo anjara mavitrika, tontosa ny dingana voalohany amin’ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny Fiangonantsika dia ny fanavaozana ny lafi-trano lehibe ivelany.

Isaorana Andriamanitra tamin’ny fanoloran-tsaina rehetra izay nomeny nandritr’izay fotoana izay. Isaorana ihany koa ianareo izay tsy nisalasala niara-nisalahy taminay amin’ny fanorenana tsangambato ho an’ny taranatsika.

Ry havana, ry mpiantoka, ry mpiara-miombona antoka, an-dalam-panatanterahana ny tetikasa Ampandriankilandy isika amin’izao fotoana izao ;  koa indro ampiarahinay amin’izao tahirin-kevitra izao ny fampahafantarana an’Ampandriakilandy, ny mombamomba ny fiangonana, ny tetibola sy ny drafi-panamboarana azy.


Tsy ny fanorenana fiangonana ihany anefa no imasoan’ny FJKM Katedraly Analakely eny an-toerana fa ny fitoriana Filazantsara ihany koa. Koa, noho izany, ary nifanojo tamin’ny vanim-potoanan’ny asa fananganana, dia nanaoTafika Masina ihany koa ny fiangonana ho an’ny vahoakan’ Ampandriankilandy sy ny faritra manodidina an’Antsohihy.

Resy lahatra izahay fa rehefa entina amim-pinoana izany fikasana izany dia hisy hatrany ny herim-po hahatongavana amin’ny tanjona. Izany indrindra no iangavianay fiaraha-miasa aminareo. Ireo izay misitraka mivantana ny fandraisanareo anjara dia hahatsiaro lalandava anareo ho mpankato ny tenin’Andriamanitra araky ny nanirahany anareo hoe: “Manangàna famataran-dalana ho anao hianao, manorena tsangam-bato”, Jer 31.21a

Ny fahasoavan’Andriamanitra anie homba anareo hatrany amin’izay rehetra ataonareo.

Ny Filohan’ny Fankalazana ny faha-160 taona                                 Ny Mpitandrina

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email