SEKOLY ALAHADY : IVON’NY FAHA-140 TAONA

» Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao », II Tim 3: 14a« Aza matahotra ny mampianatra ny tenin’Andriamanitra fa momba antsika Izy » Asa 18, 9b Ireo andalan-tsoratra masina ireo no nanakoako nandritra ny ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-140 taona ny Sekoly Alahady FJKM Katedraly Analakely. Ny alarobia 12 jona 2024 no […]
NIVOAKA NY RAKI-TSARY VOALOHAN’NY AMA : NY HATSARANY

Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny famokarana ny raki-tsary voalohany izay mirakitra ireo clip ny Antoko Mpihira Analakely, ka nitondra ny lohateny hoe : « Ny Hatsarany ». Ny volana febroary 2023, izay iray volana natokan’ny fiangonana ho an’ny AMA no namoahana izany tamin’ny fomba ara-piangonana.
Album « Mitafy anao », io no namarana ny fankalazana

« ..Ary nomban’Andriamanitra ny zaza dia nitombo izy…..Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. » Genesisy 21, 20 /Salamo 147,1b Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita ary nikatona ny Alahady 19 novambra 2023 ny fankalazana ny faha-dimy taona ny Antoko Mpihira TAFIKA MIANTSA ka ny famoahana ny album « Mitafy anao » no namaranana izany tamin’ny alalan’ny concert de […]
FIFANINANA LOGO SY HIRA FANEVA : FAHA-140 TAONA NY SEKOLY ALAHADY

‘’Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo’’Ho fanomanana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 140 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny Katedraly Analakely , ny Komitin’ny fankalazàna dia mampanao fifaninanana Hira Faneva sy Sary Famantarana(Na logo).
FIHAONAMBEN’NY SAMPANASA AFF : MANAO MPIANATRA

Tontosa tany Ambanja ny faha-14 ka hatramin’ny 17 septambra 2023 lasa teo ny fihaonamben’ny sampanasa AFF izay nahitana mpizaika 900 avy amin’ny synodamparitany 36 manerana ny nosy. 14 no isan’ny solontenan’ny sampanasa AFF avy amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY, izay notarihin’ny Filohany dia Andriamatoa RAMANANTSOA Lucien.
GASY TSARA TOA AZY : AMA-SLK-TAFIKA no hisolo tena antsika amin’ny famaranana

Hetsika fanaon’ny sampana FIFOHAZANA isan-taona ny fifaninana hiraisan’ny fiangonana ka tanterahina isaky ny iray volan’ny sampana. GASY TSARA TOA AZY no nampitondraina ny anarany tamin’ity taona 2023 ity ka niavaka ny fifaninanana satria samy nanao ny fifanintsanana aloha ny isam-piangonana ary ny 29 oktobra 2023 kosa ny famaranana.
SAFIF FJKM KATEDRALY ANALAKELY : HANANGANA AKANY FITAIZANA TANORA

Ho fahatsiarovana ny faha-25 taona niorenany dia manana vinavinan’asa ny Sampana Fifohazana (SAFIF) eto amin’ny Katedraly Analakely. Tsangambato no hajoro amin’ity taom-pankalazana ity. Akany fitaizana tanora no atsangana mandritra ny dimy taona manaraka (2024-2028). Fanamby amin’izany ny fitaomana ireo madiniky ny Tompo hifindra lasy, hiala amin’ny fahotana ka hialoka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ary ny fikoloana […]
TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE

« Mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. « Marka 16: 15b Notontosaina ny 16-17-18 / 05 / 2023 ny TAFIKA MASINA TSIROANOMANDIDY LEHIBE.Fivondronana ANDRIAMPOTSY.NY FITANDREMANA MIADAMPAHONINA, ivondronan’ny tanàna telo antsoina hoe Miadampahonina sy Ikianjasoa ary Miadamandroso no toerana nanaovana ny TAFIKA MASINA. Eo Tsiroanomandidy tampotanàna no mianavaratra manaraka lalantany mirefy 80 km izay ataon’ny fiara tsimataodalana ora […]
FANTARO NY ZAVA-MAHADOMELINA SY NY FIASANA

Nandritra ny zoma mahafinaritra izay notanterahin’ny sampana TAFIKA no nandraisan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael sy ny Dokotera RAKOTOARIVONY Manitra anjara, ho fanazavana sy fampianarana ny zava-mahadomelina izay efa miparitaka eo anivon’ny tanora amin’izao fotoana izao.
