FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY TARANAKA SY NY ZANAKA AM-PIELEZANA ARA-TSORATRA MASINA

Efa hatrany amin’ny Testamenta taloha no noresahan’ny Baiboly ny mikasika ny taranaka. Tamin’ny alalan’ireo no nanaovan’Andriamanitra fanekena ka nanomezany fampanantenana ny famonjena.
Misy anankiroa noho izany ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny olombelona :

  • fanekena nataon’Andriamanitra ho an’ny olona ka miampita hatrany amin’ny taranany
    (Alliance de génération en génération)
  • fanekena nataon’Andriamanitra amin’ny olona iray (Alliance individuelle)

Raha faritana fohy dia ny fanekena no mampifandrindra ny fifandraisana matotra eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Tsy maintsy mifono famonjena foana izany fanekena izany ary taranaka voafidy no mahazo azy.

A – NOA

Genesisy 9,12 : « Ary hoy Andriamanitra : Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manan’aina rehetra eo aminareo hatramin’ny taranaka fara-mandimby »

Genesisy 6,7-8-9 : Noa irery no MARINA kanefa voavonjy daholo ny zanany.

Fanamarihana : isaky ny vita ny fanekena dia manome FAMANTARANA Andriamanitra.

B – ABRAHAMA

Rava teo amin’ny tilikambon’ny Babela ilay fanekena ka nanorina fanekena vaovao tamin’i Abrahama i Andriamanitra.

Genesisy 17, 7 : « Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay Aho. »

Nipaka hatrany amin’ny taranaka ny famonjena fa tsy voafetra teo amin’ny zanaka intsony.

D – ZANAK’ISRAELY

Eksodosy 6, 4 : « Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. »

E – JESOA KRISTY

Nivadika ho « Alliance individuelle » ny famonjena satria :

  • Ho fampidirana ireo olona hafa ivelan’ny zanak’Israely anaty ny làlam-pamonjena
  • Nisy olana ara-poto-pinoana ny zanak’Israely : nofoanan’I Jesoa Kristy ny maha-taranaka

F – ASA 2,37-39 

Foana ny fanekena tokana ka miampita amin’ny zanaka, raha efa vita fanekena ny ray aman-dreny.

Taranaka no fiantsoana ny olona voafidin’Andriamanitra tany amin’ny Testamenta Taloha. Raha taritina aty amin’ny fiainan’ny fiangonana ankehitriny anefa dia tsy voafetran’ny taranaka intsony fa eo ireo ZANAKY NY FIANGONANA IZAY NANDRAY NY FAHASOAVANA REHETRA ( Batisa, Mpandray ny Fanasan’ny Tompo …) teo anivon’ny fiangonana niaviany ka nahazoany ny famonjena. Ireo no antsoin’ny fiangonana ankehitriny hoe ZANAKA AM-PIELEZANA

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hisarihana ny sain’ny mpino mikasika ny zanaka am-pielezana :

1. Inona no adidin’ny zanaka am-pielezana amin’ny fiangonana niaviany ? (ny tany niaviany)

Deotoronomia 16,16-17 : « Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny, dia amin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah ; fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao. »

Antsoina ny zanaky ny fiangonana hiverina any amin’ny « tany niaviany » ka in-telo isan-taona no hanaovana izany. Inona avy ireo fotoana anankitelo ireo ?

A – Deotoronomia 16, 5-6 : « tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ; fa eo amin’ny fitoerana izay hofidian’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro dia tahaka ilay nivoahanao avy tany Egypta »

Ny andro PASKA no niantsoan’i Jehovah hiverenana any amin’ny tany niaviana, tsy azo hatao any amin’ny toerana hafa. Raha ankehitriny dia ny fiangonana izay nanovozana ny fahasoavana no hiverenana satria tao no nisafidianan’Andriamanitra ny hahazoana ny famonjena.

Ny fahatsiarovana ny nanafahana ny zanak’Israely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana no tsaroana amin’izany. Raha ny ankehitriny dia ny nanafahan’ny Tompo tamin’ny fanandevozan’ny ota ka nanomezany ny famonjena.

Lioka 2, 41 : « Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska »

Na i Jesoa aza dia voataiza tamin’izany ka tany Jerosalema no nankalaza ny Paska.

B – Deotoronomia 16, 9-12 : « Herinandro fito no hisainao ho anao : hatramin’ny andro iandohan’ny fijinjam-bary no hanisanao azy. Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao ; ary mifalia eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao hianao sy ny zanakao lahy sy ny zanaka vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidian’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. Ary tsarovy fa andevo tany Egypta hianao ; koa tandremo sy araho ireo didy ireo  »

Ny andro manarakaraka ireo herinandro fito aorian’ny andro ankalazana ny Paska, raha kajiana dia io ny andro PENTEKOSTA. Fotoana iray hiantsoan’ny Tompo ny olom-boafidiny hiverina any amin’ny tany izay nofidian’i Jehovah. Mbola fahatsiarovana ny zava-tsoa ara-panahy noraisina tamin’i Jehovah Andriamanitra no anton’izany ka hiantsoana ny vahoakany hanao fanati-pifaliana.

D – Deotoronomia 16, 13 – 15 : « Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ny famoloanao sy ny famiazanao. Ary mifalia amin’ny andro firavoravoanao hianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana ho an’i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidian’i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan-tànanao rehetra, ka dia hifaly tokoa hianao »

Raha ny fiangonana ankehitriny dia ny VOKA-DEHIBE fanao isan-taona io vanim-potoana io.

Hangonina ny vokatra noho ny fitahiana ka entina miverina any amin’ny tany nihaviana. Tsy fotoam- pahatsiarovana intsony izany fa tena fotoam-pifaliana amin’ny vokatra azo.

2. Fa maninona no asaina miverina any amin’ny tany niaviany amin’ireo vanim-potoana ireo ary inona no hatao any ?

Antsoin’i Jehovah Andriamanitra ny vahoaka voafidiny hiverina any amin’ny tany izay nofidiny mba hahatsiaro ny làlam-pamonjena izay efa nomeny azy ireo maimaim-poana. Ao koa anefa ny fotoam-pifaliana ka manatanteraka fanatitra araka ny fitahiana azo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email