FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIANKILANDY : LOKO SISA

Mahafaly ny Komity Teknika Taotrano (KTT) izay voatendry hanara-maso ny asa eny Ampandriakilandy ny mampahafantatra antsika fa taorian’ny procès verbal de réception des travaux notanterahina tamin’ny 29 martsa lasa teo dia hita fa vita soamantsara ny gros oeuvre, izay niainga tany amin’ny fototra, niampita tamin’ny rindrina, ny tafo ary ny varavarana sy varavarankely rehetra, ny lalotra anatiny sy ivelany. Vita ihany koa ny dallage anatin’ny trano fiangonana.

Amin’ny maha-« tâcheronnage » ny asa fananganana ny trano fiangonana ny FJKM Ampandriankilandy Fiadanana, dia «réception partielle des travaux» no natao ny Talata faha-14 martsa 2023, izay mikasika ny :

Lot 1 Gros oeuvre

Lot 1.1 : Béton armé – maçonneries – enduits – dallage sols

Lot 1.2 : Ferme métallique & toiture

Lot 2 Second oeuvre

Lot 2.1 : menuiserie bois – impostes en bois

Lot 2.2 : plafonnage – solives & voliges en bois

Lot 2.3 : menuiserie métallique – portes – fenêtres – grilles d’aération

Lot 2.4 : Electricité

Nijery ireo asa vita ny KTT. Niroso tamin’ny fandrafetana ny “Procès verbal de réception partielle des travaux », ahitàna ny asa tsy tomombana ka atao “reserves constatées”.

Ny Alarobia faha-15 martsa 2023 ny KTT no nijery ny asa fanamboarana ny “Pupitres”, ny latabatra masina sy ireo dabilio. Nomena ny toro-marika farany ara-teknika momba ny asa sisa tanterahina ary nijery  ireo “échantillons” dabilio. Niresaka sy nifanaraka indrindra ihany koa ny amin’ny fizotran’ny “approvisionnement” an’ireo hazo ampiasaina sy ny fomba hamitàna ny asa mialohan’ny fanokànana ny trano fiangonana.

Ny Alarobia faha-29 martsa 2023 no vitan’ny mpanantanteraka ny asa fanitsiana rehetra momba ny “reserves constatées” tamin’ny “Procès verbal de réception partielle des travaux ».

Hiroso amin’ny asa farany fandokona isika.

Ny Alarobia faha-05 aprily 2023 ho avy izao, no hanainga ny loko rehetra hampiasaina miaraka amin’ny mpandoko. Ny Talata faha-11 aprily 2023 aorianan’ny Paska no hanomboka ny asa. Araka ny planina dia ny Alatsinainy faha-29 mey 2023 no vita ny asa fandokona.

Marihina manokana fa ny Mpitandrina Rija Eric Rasamimanana any Ampandriankilandy dia manana fanomezam-pahasoavana amin’ny asa électricité, ka izy no nanao ny “installation électrique” ny fiangonana.

Koa alao hery ary, ry mpiangona malala eto amin’ny Katedraly Analakely. Aoka mba samy hitondra am-bavaka ny fahalavorarian’izao asa masina izao isika. Tano mafy ny finoantsika. Mahareta sy milofosa amin’ny asa tsara. Fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana dia valian’ny Tompo tokoa. Vavolombelon’izany izao trano fivavahana eto Ampandriakilandy hotokanantsika tsy ho ela izao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email