Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

Voatendry any amin’ny SP Antananarivo Atsinanana i Pasteur Hobinirina

RAZAFINDRAKOTO Hobinirina Harisoa Mpitandrina, niza-draharaha teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely nanomboka ny volana aprily 2019, dia anisan’ireo Mpitandrina navoakan’ny FJKM Foibe ny Alahady 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra. Manambady izy ary manan-janaka roa vavy. Toy izany koa Rangahy vadiny dia ny Mpitandrina RAJAONARISON Sterno, samy navoaka teny Antsahamanitra ny androtr’io ihany. Ny taona 2008 izy […]

Fanendrena ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Anisan’ireo Mpitandrina navoaka ny 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA rehefa nahavita ny fanohanana ampahibemaso ho famaranana ny fianarana teny amin’ny Faculté de Théologique Ambatonakanga. Natolotry ny FJKM Katedraly Analakely ho mpianatra mpitandrina ny taona 2013, resy lahatra ary niditra nianatra teny amin’ny toeram-panomanana mpitandrina Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Mbola niasa teo amin’ny sehatry […]

FANOKANANA LOHOLONA SY DIAKONA ANDIANY « FINOANA »

Nandritra ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 07 jolay 2019 teo no notanterahina ny fanokanana sy fandraisan-tànana ireo Loholona sy Diakona voafidy hiasa mandritra ny efa-taona manaraka. Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Hobinirina Harisoa, Mpitandrina sy RAVELOSOA Andriamamonjy Mickaël, Mpitandrina no niara-nisalahy nanatontosa ny fiaraha-mivavaka. 43 no isan’ireo Diakona vaovao voafidy ka notokanana, 107 kosa ireo Diakona noraisin-tànana. 30 ny […]