Fiofanan’ny Loholona sy Diakona 2019 – Ny Tena Faminaniana sy ny Faminaniana sandoka
Alahadin’ny Mpitandrina 06 Oktobra 2019

Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany. Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny « poste d’évangelisation » any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana […]
Ny Fiaraha-miasa tsara, Matio 26: 6-13
Alahady 29 Septambra 2019 1/ Ny fiaraha-miasa tsara dia mifototra amin’ny fitiavana. Tsy voahozongozon’ny manodidina, na voabaikon’izao tontolo izao. Ny endrim-pitivana dia: – Fitiavana an’i Jesoa Kristy – Fitiavana asa fanompoana – Fitiavana ny manodidina Ny fitiavana no refesin’i Jesoa 2/ Ny fiaraha-miasa dia mifototra amin’ny fanekena ho volavolain’ny tenin’Andriamanitra. Izy Andriamanitra mihintsy no mankasitraka […]
Ny Antson’ny valim-bavaka-Jaona 15:7-8/16
Alahady 22 Septambra 2019 Ny fepetran’ny valim-bavaka : 1/mifototra amin’ny fitiavana :Jesoa no fototra ary isika no sampana. Maka tsiro amin’ny faka aloha ny sampana, mandeha amin’ny vatany. Tokony mitovy ny miainga any amin’ny faka, ny mandalo amin’ny vatany ary ny mamoa. Fitiavana miainga amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra izany. 2/mila mitoetra ao anatinao ny tenin’Andriamanitra : […]
Fahamasinana ara-panahy, ara-toetra sy ara-pitondran-tena – I Kort 5, 1-5
Alahady 15 septambra 20191/ Fahamasinana ara-pinoana sy ara-panahy : ny fanompoana dia hatao amin’ny finoana sy fandresen-dahatra ny famonjena vitan’i Jesoa kristy. Ny olona mahafantatra izay inoany no manana fahamasinam-pinoana2/ Fahamasinana ara-toetra : ny finoana hanananao dia miseho amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Mpandrindra fihavanana amin’izay miady aminao ianao.3/ Fahamasinana ara-pitondran-tena :tsy maintsy mahafola-tena izay nantsoin’ny […]
Te hivoaka ho Mpandresy
Matio 5, 25-34 – Alahady 18 aogositra 20191/ Mihaino ny momba an’i Jesoa Kristy ary mamelona ny fanantenana avy amin’izany2/ Mandeha amin’ny finoana, rehefa avy nihaino ny momba an’i Jesoa Kristy
FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FFKM
« Ho tafakambana tsara ianareo, hiray saina sy hevitra » (1 Kor. 1, 10b ). Io no teny faneva hankalazana ny faha-40 taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy izay hitambaran’ny FJKM, FLM, EKAR, EEM ). Ny zoma 23 aogositra 2019, amin’ny 2 ora no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fijoroan’ny FFKM, ka ao amin’ny EKAR […]
Ny Fanevan’Andriamanitra
Eksodosy 17, 1 – 10 – Alahady 04 aogositra 2019
FANKASITRAHANA IREO NIASA HO AN’NY FIANGONANA

Endrika iray nentin’i Ravelosoa Mickaël Mpitandrina eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fankasitrahana ireo niasa ka nahavita ny andraikiny teo amin’ny asan’Andriamanitra teo aloha. Ny Biraon’ny fiangonana sy ireo Mpandinim-bola no nanombohana izany. Ireto avy ireo ny anarana sy ny taona naharetan’izy ireo : NY BIRAOM-PIANGONANA : Rtoa RAJAONERA Hanta – Mpitahiry volan’ny fiangonana – […]
