FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : TSANGAMBATO FAHAROA

« Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato » Jer 31.21a Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-160 taona niorenan’ny FJKM Katedraly Analakely ka dia ankehitriny hiditra amin’ny dingana faharoa amin’ny tetikasa isika dia ny fananganana fiangonana ao amin’ny kaominin’ Ampandriankilandy, distrikan’ Antsohihy, faritr’i SOFIA. Azo antoka fa ny tranon’Andriamanitra izay hiorina eny an-toerana dia marika famantarana mipetraka […]
KARATRA VAKANA

Karatra Vakana, io no anisany nampiombona ny fiangonana tamin’ny fampitaovana sy fitadiavana ny enti-manana ka niatrehina ny fanamboarana ny Façade Principale.
FIZARANA SERTIFIKA NANDRITRA NY FANKALAZANA

Fanao isaky ny fankalazana ny mankasitraka ireo rehetra namelona sy niasa teo anivon’ny fiangonana ka tsy diso anjara tamin’izany ny mpanompon’Andriamanitra izay voaantso teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely.
VITA FANAOVAZANA NY FAÇADE PRINCIPALE

Noho ny fitantanan’Andriamanitra, tompon’ny fiangonana dia vita soamantsara ny asa fanavaozana ny façade principale ny FJKM Katedraly Analakely.
12 SEPTAMBRA 2021 – IVON’NY FANKALAZANA : FIJOROANA VAVOLOMBELONA FA VELONA NY FIANGONANA

Efa voafaritra tao anatin’ny tetiandron’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely fa ny Alahady 12 septambra 2021 no ivon’ny fankalazana
Fampirantiana ireo sary mirakitra ny tantaran’ny FJKM Katedraly Analakely

160 taona (1861-2021)
Ivon’ny fankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely

Toriteny Alahady 12 Septambra 2021 – Jeremia 31 : 18 – 21
HIVERINA NY ALAHADIN’NY TARANAKA SY NY ZANAKA AM-PIELEZANA

Ny alahady 08 aogositra 2021 lasa teo no notanterahina ny Alahadin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nandritra ny fidirana faharoa izay nanomboka tamin’ny 10 ora maraina izany.
HAMBOARINA NY FAÇADE PRINCIPALE

Araka ny fanapaha-kevitry ny komitin’ny fankalazana ny faha-160 taona, izay efa nandalo ny ambaratonga-drafitra teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia ny fanavaozana tanteraka ny « Façade principale » no tsangambato iray lehibe hanamarihana izao fankalazana izao.
