FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Hira faneva faha-160 taona : MANANGÀNA, MANORENA !

1. Misaotra mankalaza Anao
Ry Jesoa Kristy Mpanalàlana
Fa nomenao hery izahay vahoakanao
Novonjenao ho tonga zanakao

Fiv : Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao
Manorena tsangam-bato
Fa tsara e ! tena tsara e !
Ny fitondranao ny Fiangonanao ry Ray !
Mahagaga e ! Mahagaga e !
Ireo taona nifandimby : fandresena ho anay !

2. Ny fanorenana hatrizay
Ny tenanay sy ny fiangonana
Dia fahasoavana avy Aminao Ray o !
Mifototra amin’ny Teninao

3. Ny ho avinay sy ny ampitso
Apetrakay ambany fitondranao
Hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavanao
Hitory ny Filazantsaranao !

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email