FJKM KATEDRALY ANALAKELY

ANY AMPANDRIANKILANDY NY MASO !

Ampandriankilandy, 13 km miala ny tanànan’Antsohihy, faritra Sofia no misy azy. Any no anaovana ny Tafika Masina ny volana Aprily 2021 ho avy izao. Araka ny tetiandron’ny Fiangonana, dia ny 9 hatramin’ny 11 martsa no hanaovana ny asa fitsirihana (précamp) ary ny 14 Aprily hatramin’ny 19 Aprily 2021 no hanatanterahana ny Tafika Masina. Ao an-toerana no hanorenan’ny FJKM Katedraly Analakely trano fiangonana ho tsangambaton’ny fankalazana ny faha-160 taona.

Tanàna manao ahoana loatra àry izany Ampandriankilandy izany ?

Kaominina mahavokatra vary sy trondro ary tantely, maro tanora, misy tambazotra 4G, ahitana sampan-draharaha sy foto-drafitrasa ara-panjakana rehetra toy ny tobim-pahasalamana (CSB II) sy toeram-pampianarana (EPP, CEG ary Lycée) ary tobin’ny Zandarimariam-pirenena (poste avancée de gendarmerie). Mivelatra ny tanàna satria fokontany 16 be izao no mandrafitra azy. Tanàna andalovan’ny renirano Tsinjomorina, tongan’ny fiara mpitatitra (2000 ariary ny saran-dàlana miainga avy ao Antsohihy). Misy toerana vitsivitsy tsy maintsy andehanana lakana, indrindra rehefa fahavaratra ny andro. Mbola mampijaly ny mponina any an-toerana ny famatsiana herin’aratra sy rano fisotro madio, satria tsy tongan’ny Jirama ny tanàna, hany ka ny herin’aratra mandeha amin’ny masoandro no ampiasain’ny mponina. Araka izany, ny rano fisotro sy fampiasa amin’ny fiainana an-davanandro dia tsy maintsy ampangotrahana.

Raha eo amin’ny lafiny ara-pinoana, araka ny antontan’isa farany navoakan’ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara (SA-AFF) ao amin’ny faritra Sofia dia ny 11,12  % ny mponina dia avy amin’ny FFKM ; ny 8,30 % dia avy amin’ny fiangonana zandriny ary ny 80,39 % dia sokajiana ho isan’ny hafa finoana (isan’izany ny mpitahiry ny fomba amam-panao nentin-drazana).

Raha ny fitombon’ny mpino FJKM ao Ampandriankilandy indray no resahana manokana, dia toy izao ny antontan’isa : raha 319 no isany tamin’ny taona 2015, niabo 519  izy ireo ankehitriny. Mi-isa 49 kosa ireo mpandray ny Fanasan’ny Tompo, raha toa ka 15 izany teo aloha. Tsara àry ny manamarika fa dimy no isan’ny fiangonana FJKM ao an-toerana. Raha ao amin’ny renivohitry ny kaominina dia misy trano fiangonana iray mirefy 15m/8m, mitafo satrana saingy noho ny tsy fahafahana eo amin’ny enti-manana, dia mbola tsy vita biriky izany. Ireo fiangonana efatra hafa kosa dia trano rotso-peta samy mitafo satrana ary mirefy 4m eo ho eo.

Araka ny fanazavana nomen’ny Mpitandrina Rasamimanana Rijaniaina Eric, mpiandraikitra ny “poste évangélique” eny an-toerana, dia isan’ireo tetikasa imasoana amin’ity taona ity ny fampiroboroboana ny fiaraha-mivavaka, ny fampitomboana ny isan’ireo mpandray, ny fanentanana amin’ny fanoratana ara-panjakana ny tokantrano kristiana rehetra, ary tohizana amin’ny fanamasinana ny mariazy any am-piangonana, ny ahazoana trano fiangonana ara-dalàna sy sekolim-piangonana. Ka mba hahatrarana ireo tanjona ireo, dia indro tanisaina manaraka eto ny filàn’ny “poste évangélique” :

📌mikasika ny fitoriana ny Filazantsara : famatsiana baiboly sy fihirana, fanohanana katekista delege, fahazoana fitaovana ahafahana manao “vidéo-projection”, fanavaozana ny “imprimante” ahazoana mamoaka taratasy fanamarinana samihafa ary boky torolàlana sy fiofanana samihafa ;
📌mikasika ny fampandehanan-draharahan’ny fiangonana kosa dia ny fahaleovan-tena amin’ny fampiasana herin’aratra mandeha amin’ny masoandro no tena maika ;
📌mikasika ny fahazoana loharanom-bola maharitra : mila tohana masomboly sy fitaovam-pambolena ny Fiangonana, ary fananganana sekoly ho fijoroana vavolombelona amin’ny asan’Andriamanitra.

Maromaro ny ezaka atao ao an-toerana. Ho feno dia feno ny fandaharan’asan’ny Mpiantafika! Ny vokatra andrasana dia ny fitomboan’ny isan’ny mpino, ny fametrahana ny fototry ny trano fiangonana ao an-drenivohitr’Ampandriankilandy, ny fahombiazan’ny tosika omena ireo ankizy sy ny tanora, ho fivelarana ara-panahy sy fahalalana ho azy ireo (indrindra fa eo amin’ny lafiny arak’asa, raha ho an’ny tanora manokana), ny fanampiana ireo manano-tena sy marefo ary sahirana, (fampitaovana ny fikambanam-behivavy, fijerena manokana ireo sembana mi-isa 15 sy zokiolona mi-isa 17 ao an-toerana…). Ankoatr’izay, mila ezaka koa ny tranon’ny Mpitandrina ao Ampandriankilandy. Mbola manofa trano tokoa mantsy izy hatramin’ny nahatongavany tao an-tanàna ny taona 2015.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email