FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Hotohizana ny fanoratana ny tantaran’ny fiangonana

Vaomiera iray natsangana manokana mandritra ity fankalazana ny faha-160 taona ity “ny vaomieran’ny tantara sy arsiva”. Lehibe ny andraikitra sahanin’izy ireo satria hiankinan’ny fitohizan’ny fiainam-piangonana ny tantara sy arsiva.

Hatomboka amin’ny fanangonana ny tantaran’ny fiangonana àry aloha ny asa. Kristiana vitsivitsy no mandray an-tànana izany, izay hiantsoan’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny zanaky ny fiangonana izay manana tahirin-tsoratra sy tahirin-tsary. Hanangona izany ny vaomiera hatramin’ny faran’ny volana mey.

FJKM Katedraly Analakely tany amin'ny taona 1910

Hotohizana amin’ny fanoratana izany avy eo. Hisy moa ny tari-dàlana izay omen’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël mikasika ny fomba fanoratana. Ny volana jona iray manontolo no fotoana hanakambanana izany ka harafitra ho boky, izay kasaina havoaka ny volana aogositra, mandritra ny ivon’ny fankalazana. Antso avo no hatao ho an’ny zanaky ny fiangonana mba hifandrimbona amin’ny fanoratana ny tantaran’ny fiangonana. Azo hapetraka ao amin’ny biraon’ny mpandraharaha izany, na alefa mailaka amin’ny adiresy : komity160e_analakely@fjkm-katedralyanalakely.org

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email