FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HIVERINA NY ALAHADIN’NY TARANAKA SY NY ZANAKA AM-PIELEZANA

Ny alahady 08 aogositra 2021 lasa teo no notanterahina ny Alahadin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nandritra ny fidirana faharoa izay nanomboka tamin’ny 10 ora maraina izany. Io fotoana io dia nokarakarain’ireo zanaky ny fiangonana tratr’antso teto an-toerana ka nandraisan’izy ireo anjara feno.

Iray volana no nanomanana ny fotoana ka fivorina isan-kerinandro no nanaovana izany. Noezahina nantsoina ireo zanaky ny fiangonana niparitaka ka nisy ny komity izay nandrafitra izany. Ny Mpitandrina RAMAHOLIMIHASO Solofo izay zanaky ny fiangonana ihany no nitory ny tenin’Andriamanitra, ary ireo komity no nifandimby tamin’ny vavaka sy vakinteny. Mbola izy ireo ihany koa no nanomana ny fandraisana vahiny sy ny fampisakafoanana azy ireo. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Andry Petoulet RAVELOSON, solontenan’ny taranaka no nanomezany lanja ny fahasoavana noraisiny teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Nisongadina ihany koa ny hetahetan’ireo zanaka am-pielezana sy taranaka ny hamerenana indray ny Alahady,  indray mandeha isan-taona. Namafisin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael moa fa ho hankalazaina isan-taona manomboka izao ny Alahadin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana.

Vao fanombohana io fa hanohy ny hetsika fiantsoana sy fampivondronana ireo zanaky ny fiangonana ny komity ka hisy ny “randonnée” na dia tongotra harahina fizahan-tany izay hatao ny sabotsy 25 septambra 2021 any Ambatomanga. Ny tanjona dia handray anjara feno ao anatin’ny fankalazana ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana manomboka izao. Efa manana ny programany moa izy ireo ho fanampiana amin’ny fitadiavana ny loharanom-bola, ho entina miatrika ny fananganana ny tsangambato.

Hitohy amin’ny fiantsoana sy fanentanana ireo taranaka sy zanaka am-pielezana any am-pita izao ny asan’ny vaomieran’ny zanaka am-pielezana anatin’ny komitin’ny fankalazana ny faha-160 taona.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email