FJKM KATEDRALY ANALAKELY

ZANAKY NY FIANGONANA ANY ANGLETERA

Angletera na United Kingdom, UK, no firenena nisy ny foiben’ny London Missionary Society (LMS) sady firenena niavin’ireo mpitory ny filazantsara voalohany teto Madagasikara, dia i David Jones sy Thomas Bevan. Fa amin’izao fotoana izao, tsy misy mahafantatra an’i Madagasikara ny Anglisy. Raha vao miteny ianao hoe avy any Madagasikara dia ilay film d’animation malaza no tonga ao an-tsainy voalohany dia gaga izy fa tsy noheveriny fa tena misy i Madagasikara.

Tsy misy FJKM toy ny any Frantsa eto UK, fa isaorana an’Andriamanitra ny culte direct tsy tapaka isaky ny alahady avoakan’ny FJKM Ambohipo sy ny Mofonaina an’ny FJKM Katedraly Analakely. Maharaka tsara ny vavaom-piangonanantsika rehetra koa izahay Malagasy Kristianina aty, noho ny fisian’ny facebook sy site internet.

59,3% ny anglisy no Kristianina, izany hoe vahoaka miisa 33 200 000 eo eo. Firenena Kristiana ara-tantara i UK.

Ny Fiangonana Anglikana (Church of Engalnd) no Fiangonana mifamatotra amin’ny fitondram-panjakana. Fiangonana protestanta izy io, niforona tamin’ny reformasiona tamin’ny taona 1530. Betsaka ihany ny mpivavaka noho izy miankina amin’ny tantaram-pirenena sy ny fitondram-panjakana. Ny mpanjaka no filohan’ny Fiangonana Anglikana ary ny archbishop ny Canterbury (arseveka) no filoha ara-panahy. Maro amin’ireo bishops (na eveka, manam-pahefana ara-pivavahana) no mpikambana ao amin’ny House of the Lords (iray amin’ireo antenimiera roa ao amin’ny parlemanta).

Misy Fiangonana Protestanta hafa izay azo lazaina hoe zokiny : Batista, Methodistes, Presbyterians, Quakers. Ao koa ny Fiangonana Katolika Romana. Nitombo marobe ihany koa ny Fiangonana Evanjelika zandriny, ary ireo no be mpanaraka indrindra, fa ny hafa tena vitsy mpivavaka na dia tsara tarehy sy hari-fomba ary manara-penitra aza ny trano fiangonana.

Ny zavatra nanaitra anay indrindra teto UK, dia ny fifampatokisana tena hafa indrindra, ny fandrosoana amin’ny lafiny rehetra, ny fanarahan-dalàna ary ny tsy fisian’ny fanavakavahana.

NHR.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email