FJKM KATEDRALY ANALAKELY

VITA FANAOVAZANA NY FAÇADE PRINCIPALE

Noho ny fitantanan’Andriamanitra, tompon’ny fiangonana dia vita soamantsara ny asa fanavaozana ny façade principale ny FJKM Katedraly Analakely. Izany dia tao anatin’ny tsangambato fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny fiangonana.

Tratra ny tanjona, dimy volana no faharetan’ny asa fanavaozana. Noravaina avokoa ireo fitaratra maro loko izay efa vaky, ka nosoloina menuiserie aluminium. Orinasa MGI, anisan’ny efa za-draharaha no nanankinana ny asa. Ankoatr’izay dia nolokoina tanteraka ihany koa io lafiny telo lehibe mahazo ny arabe io. 114 561 968 Ar teo no vola nentina niasa ary tao anatin’ny enim-bolana monja dia voahangona ireo raha niainga tamin’ny tsy nisy ny komity faha-160 taona.

Ny Alahady 20 febroary 2022 no notokanana ara-pombam-piangonana ny asa vita ka ny FOIBE FJKM sy ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano no nitarika ny fotoana rehetra. Endrika vaovao nanomboka teo no hita taratra avy lavitra rehefa mijery ny fiangonana.

Ny fiombonana no hery lehibe nentina nanatontosana ny asa. Tsy nitsahatra tamin’ny fanentanana ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael, nitaiza sy nikolokolo ny finoan’ny fiangonana satria tsy nisy ny enti-manana raha niatrika ny asa. Nasehon’izy Tompo fa Azy ny asa ary Izy no tompon’ny fitaovana. 

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email