FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANDALINANA BAIBOLY

Misy karazany roa ny fomba fandalinana ny Baiboly :
Ny tena samirery
• Fiaraha-mandinika miaraka

FANAMARIHANA
JAONA 5. 39-40 : «Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana. »

  1. Diniho dia BAIKO : tsy hoe MAMAKY Soratra Masina dia hahazo ny FIAINANA MANDRAKIZAY fa mila mandinika sy mikaroka ny momba an’Andriamanitra ary mila MANATONA Azy.
  2. Ny Soratra Masina izay nodinihina dia tokony hanova ny fomba fanao
  3. TSY NOSORATANA HO ANAO NY BAIBOLY fa milaza ny fomba fiasan’Andriamanitra : mampiseho ny fomba fijery,fiasa ary fihetsika ataon’ Andriamanitra ao anatin’ny tranga na tantaran’olona voasoratra ao anaty boky maro anaty baiboly. Rehefa mandalina Soratra Masina dia mahalala ny nataon’Andriamanitra tamin’ireo olona aman’arivony voalaza ao amin’ny Baiboly. Io fomba fiasan’Andriamanitra io no alainao ka hampiharinao amin’ny fiainanao
  4. Misy ireo tranga na tantara tsy miverimberina (cas isolé). Mety mieritreritra ny mpanoratra fa tsy avy amin’Andriamanitra.
  5. Olombelona no nanoratra ny Baiboly. Mety tafiditra ao noho izany ny maha-olona an’ilay nanoratra. (Ohatra : Lioka dia Dokotera ka hita soritra amin’ny fomba fanoratany izany )

FOMBA FANDALINANA BAIBOLY

  1. FANTARO NY SOKAJIN-DAHATSORATRA
    a) TANTARA :Ny 90% ny voasoratra ao anaty Baiboly dia TANTARA. Io no mampiseho ny dian-drantsan-tànanan’Andriamanitra amin’ny zava-niseho tao anatin’ny vanim-potoana iray.
    b) HIRA :Endrika fanehoana zava-niseho na fihetsem-po ny hira. Betsaka arak’izany ny voasoratra ao amin’y Salamo izay milaza fiderana, na fifonana…
    c) ANDAVANANDROM-PIAINANA :Io sokajin-dahatsoratra io dia mivadika toy ny oha-pitenenana. Sarotra anefa ny mitady ny tena zava-niseho na ny tontolo hanamarinana izany.
    d) FAMINANIANA
    e) ANGANO NA TANTARA FORONINA : Nentina hisintomana ny sain’ny olona fa tsy tena zava-nitranga hitan’ny mpanoratra
    f) OLOMBELONA MIFAMPIRESAKA : Olona roa miresaka na mifanoratra
    g) FITENY SAMIHAFA : ozona, teny ratsy
  2. FANTARO NY TONTOLON’NY SORATRA (CONTEXTE)
    Mampiasa karazana dikan-teny ( DIEM na Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara, TOB na Traduction Œcuménique de l’Eglise, Fanalahidin’ny Baiboly…)
  3. Iza no mandray anjara sy ny mpisehatra anatin’ny lahatsoratra
    • Mivantana na izay tena mandray anjara avy hatrany
    • An-kolaka
    Avy amin’ny alalan’ireo no hangalana ny fomba famaky ka hisintomana ny hevitra ara-panahin’ny Soratra Masina. Miroso amin’ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra amin’izay.
  4. Inona ny petrak’olana entin’ny Soratra Masina sy ny fomban’ANdriamanitra amin’izany.

SEKOLIN’NY FINOANA – SABOTSY 10 SEPTAMBRA 2022
Mpitandrina RAVELOSOA Mickael

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email