FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Vontom-pitia sabotsy 15 febroary 2020 : ATAOKO AHOANA NY FITIAVAKO ?

II – FEHEZO NY FITIAVANAO

b) Makà fotoana handinihina tsara

Misy fitenenana hoe “ ny alina mitondra fisainana ” ary marina izany. Raha tsy maimaika foana isika fa maka fotoana handinihina sy hieritreretana kely dia maro ny olana ho voasoroka eo amin’ny fiainantsika, maro no tsy ho nipoitra akory ny teny tsy voahevitra nanenenantsika!


Ary raha ny fitiavana no resahina dia zavatra maro no tokony hodinihina mialoha ny hitenenana hoe “Tiako ianao” Fa ny olona miroso amin’ny fitiavana ange toy ny olona manorina tilikambo e! Ka hoy Jesoa “Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra? (Lio 14,28) Santionan’izany ireto :

– Momba azy manokana : firy taona izy? Aiza no mipetraka? Inona ny finoany? Inona ny zavatra tiany jerena,tiany henoina? Aiza no tiany aleha?

– Momba ny ankohonany : Iza no ray aman-dreniny? Inona no asany ? Inona no finoany? Avy aiza no fiaviany?… Iza avy no iray tampo aminy? Olana manao ahoana avy?

Isika Malagasy dia manana fitenenana hoe “ tsy mandady amin’ny hazo tsy fantatra ” Fahamalinana izany,satria tsy raharahan’olon-droa fotsiny ny fitiavana ,fa raharahanà fianakaviana anankiroa ; ary tsy raharahan’ny ankehitriny fotsiny fa hahatratra ny taranaka ho avy rehetra!
Koa mila fotoana ny hamantarana izany rehetra izany. Dia hoy ianareo hoe : ka aiza no hahafantarana izany raha tsy “miaraka” ? – Eo no tsy mitovy ny fomba fijery matetika : tsy voatery miaraka vao mifankafantatra. Ny fifandraisana maha mpinamana tsotra dia ampy hahalalana izany rehetra izany amin’ny zavatra ifaneraserana sy ny fanontaniana madinidinika eny antsefatsefany eny!
Ary na marina aza fa tsy voatery ho azo avokoa ny valin’ireo fanontaniana ireo dia tena ilaina kosa ny maro aminy mba hahazoana manapa-kevitra hiteny hitory fitiavana ( ho an’ny tovolahy) na hanaiky fitiavana (ho an’ny tovovavy ) . Fa marina mandrakariva by raiki-pohy hoe :

● FT = DF + FA
FT : Fanapahan-kevitra Tsara
DF : Dinidinika Feno
FA : Fotoana Ampy

Teo dia nanambara hoe “ aza maika hiteny ” fa na efa niteny aza ianao, mbola azo atao foana ny manao ireo fandinihina ireo hahalalanao na tena mandeha amin’ny lalana azo tohizana ianao ,na amin’ny lalana mivarina any an-kady!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email