FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAFATRA VOLANA APRILY

Amintsika Andriamanitra (Mat 1/23)

Fifaliana no hitarihana antsika indray hiatrika ny volana Aprily 2021. Volana vaovao izay hibanjinantsika indray ny loha-hevitra vaovao manao hoe ; « MAMPIORINA NY MINO NY FANAVOTAN’I KRISTY »

Fototra hiainan’ny Fiangonana amin’ny maha Fiangonana azy ny fanavotana. Hiainga ao anaty dikan-teny isika hilazana izany fanavotana izany. Raha ny baiboly dikan-teny malagasy no jerena dia miverina in-98 ny teny hoe fanavotana. Λυτρωσις (lutrosis) no nanoratana azy tao amin’ny Testamenta vaovao. Ny matoanteny λυτροω (lutrow) no nahazoana izany ary raha adika amin’ny teny malagasy izy io dia hoe : FAMOTSORANA NOHO NY FANDOAVAM-BOLA TAKALON’AINA. Io famotsorana io no lazaina fa fanavotana ao amin’Andriamanitra. Toy izao ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny, eo ampelatanan’i Satana ny olona izay tsy nandray an’i Jesoa ary hananan’ny Satana fahefana tanteraka. Mitady takalo anefa Satana, ka tsy hamotsotra io olona io raha tsy mahazo solony na takalo, io ilay vidin’ny famotsorana olona eo ampelatanan’i Satana (rançon). Sarobidy ny fitiavan’Andriamanitra ny olona ka nanaiky Izy handoha io takalo io (rançon) ka Jesoa Zanany no natao takalo na solony ka nomena an’i Satana.

Raikitra ny fifanarahana tao Getsemane ka nanaiky Andriamanitra ny hanolorana ny Zanany ho takalo. Vita ny safidin’Andriamanitra Ray fa tiany loatra ny olona ka nandefitra nanaiky ny takalo Izy. Famiravirana Ilay Zanak’Andriamanitra no niseho ny zoma Masina satria efa teo ampelatanan’i Satana Jesoa. Tamin’io fotoana io indrindra no navotsotra ilay olona voafatotr’i Satana rehetra dia izaho sy ianao izay nomeny ny anaran ahoe FIANGONANA satria nakambana ho iray izay rehetra voavotsotra.

Vita ny FAMONJENA ary io no lazaina hoe Λυτρωσις na FANAVOTANA. Ny fidirana ao amin ‘io fanavotana io dia ny FANDRAISANA AN’I JESOA HO TOMPO SY MPAMONJY. Izany no Herinandro Masina atrehantsika amin’ity volana Aprily ity.Fety fankalazana fa vitany FANAVOTANA. Efa niainanao ve izany FANAVOTANA izany ? olona afaka ianao raha efa niaina izany.

Amena

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email