Hira faneva faha-160 taona : MANANGÀNA, MANORENA !

Misaotra mankalaza Anao Ry Jesoa Kristy Mpanalàlana Fa nomenao hery izahay vahoakanao Novonjenao ho tonga zanakao
ANY AMPANDRIANKILANDY NY MASO !

Ampandriankilandy, 13 km miala ny tanànan’Antsohihy, faritra Sofia no misy azy. Any no anaovana ny Tafika Masina ny volana Aprily 2021 ho avy izao. Araka ny tetiandron’ny Fiangonana, dia ny 9 hatramin’ny 11 martsa no hanaovana ny asa fitsirihana (précamp) ary ny 14 Aprily hatramin’ny 19 Aprily 2021 no hanatanterahana ny Tafika Masina. Ao an-toerana […]
Voapetraka ara-pombam-piangonana ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël

Nisandratra ny voninahitr’Andriamanitra, izany no azo amintinana ny fandraisan-tànana sy fametrahana araky ny fombam-piangonana ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël ny Alakamisy 18 febroary 2021 lasa teo, izay nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina teto amin’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely. Tao anatin’ny tetiandron’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely io andro io izay teo ambany fiahian’ny […]
T.A.FI.K.A KITRA

Niverina koa ny fanatanjahan-tena aty am-piangonana, taorian’ny fikatonan’ny fiangonana. Nanatanteraka ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny taranja baolina kitra ao amin’ny Sampana T.A.FI.K.A (Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely), ka ny sabotsy 21 febroary sy 28 ferboary 2021 lasa teo no nanaovana izany. Ny STK Ivandry Firaisana no nikarakara ny hetsika, izay tafiditra tao anatin’ny « Tapa-bolam-bokatra », ka nandraisan’ny […]
Fanisàna isam-pianakaviana ny zanaka am-pielezana

Taratasy fanisàna ny zanaka am-pielezana isam-pianakaviana izay azonao alaina eto. Afaka aterina ao amin’ny mpandraharahan’ny Fiangonana ny valiny na alefa mailaka amin’ny adiresy komity160e_analakely@fjkm-katedralyanalakely.org. Télécharger
Ezaka Baiboly sy Fihirana ho an’Ampandriankilandy

Araka ny toromarika nomen’ny Biraon’ny Fitandremana dia handray anjara amin’ny Tafika Masina any Ampandriankilandy, Faritra Antsohihy amin’ny 14 hatramin’ny 19 aprily ho avy izao ny Sampanasa Biblioteka. Ankoatra ny fanomezana boky fianarana ho an’ireo mpianatra eny an-toerana, hisy koa ny fizarana Baiboly sy Fihirana ary boky kristiana. Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric ny […]
Hafakely ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahady sy Biblioteka

Tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka no nianatra sekoly alahady ny kilasy ankizy kely tamin’ny Alahady 14 febroary 2021 lasa teo. « Endrey ny fifalian’ireto mpianatra mandoko sy manao sary! », hoy ny mpampianatra azy ireo. Amin’ity taona ity, imasoan’ny Biblioteka manokana ny tetikasa miaraka amin’ny ankizy sy ny tanora. Isan’izany tetikasa izany ny fandefasana horonantsary manokana hoan’ireo zanatsika […]
Toetra dimy ny Kristiana miorina araka ny fomba fijerin’I Jesoa

Toriteny Alahady 07 febroary 2021 – Lioka 5 : 1-11 Ny lohahevitra banjinintsika amin’ity volana ity dia ny hoe « Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra. » Miisa dimy ny toetran’ny Kristiana miorina araka ny fomba fijerin’i Jesoa. 1. OLON’NY ASA Nisy toriteny nataon’i Jesoa tamin’ny olona aman’arivony (5000) teny an-tendrombohitra. Be ny olona teny an-tendrombohitra samy te hisisika […]
TORITENY AN-KIRA RANORAY

Tsy manam-paharoa ! Niavaka ny fotoam-pivavahana tamin’ny Alahady 31 Janoary farany teo. Hiram-piderana sy fankalazana noravahana feon-java- maneno no hita sy nohenoin’ireo nandeha nivavaka.
