Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

Fandraisan-tànana ny Mpitandrina

Taorian’ny roa taona niasàna teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia hiroso amin’ny fandraisan-tànana ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely.

Miorena tsara – Mahereza tsara – Miasà tsara

Fandraisam-pitenenana nataon’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, Filohan’ny FJKM, Alahady 17 janoary 2021, Antsonjombe. 1- Miarahaba ny tsirairay nomen’ny Tompo taona vaovao 2- Mbola tsy lasa ny coronavirus ka mila mitandrina isika @ fanarahana fepetra, indrindra ny arovava sy orona sy ny elanelana (mizara aina mantsy ny fiangonana fa tsy sanatria aretina) 3- Isaorana ny Tompo […]

Sary mihetsika ho an’ny ankizy kely

Tontosa tamin’ny Sabotsy hariva teo ny fandefasana horonantsary ho an’ny ankizy kely tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka ao amin’ny rihana fahatelo.

Ny tosiky ny Fanahy

Toriteny Alahady 10 janoary 2021 – Lioka 4 : 14 – 22 Mahatonga an’I Jesoa hampianatra Manome fahazarana tsara ao anatin’ny olona Mitarika ny olona hankatò

Andriamanitra Tompon’ny tantara

Toriteny Alahady 03 janoary 2021 – Isaia 45 : 1-8 Andriamanitra no Tompon’ny tantara ka meteza halahatra Andriamanitra Tompon’ny tantara dia maneho ny maha-Andriamanitra Tompon’ny hery azy Andriamanitra Tompon’ny tantara dia mikendry fahafahana mandrakariva

HAFATRA TAOM-BAOVAO 2021

Hafatra telo no omena antsika amin’izao taona vaovao izao ary hafatra miendrika fanontaniana. Ny filazantsaran’I Jesoa Kristy araka ny fomba fanoratr’i Jaona, dia ny Jaona 1:1-5 no hangalatsika izany hafatra izany. Marihana fa hafatra hiainana mandritra ny taona ity fa tsy hoe hiainana androany ihany !