FJKM ENGLISH WORSHIP SERVICE 1ST YEAR ANNIVERSARY

« Stand firm let nothing move you » I Cort 15, 58 We’re grateful to the Lord for the celebration of FJKM ENGLISH WORSHIP SERVICE 1ST YEAR ANNIVERSARY, last Sunday feb 12th 2023 at FJKM Katedraly Analakely. The service was well organized and attended by numerous fo Christians, almost 500 who are eager willing to praise the […]
« AFTER » ISAKY NY ZOMA FARANY AMIN’NY VOLANA

« Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? ny fitandremana araka ny teninao » Salamo 119, 9 Hetsika iray hatsangan’ny sampana T.A.FI.K.A ( Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely) eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Zoma Mahafinaritra, ka ny zoma 24 febroary 2023 no hanomboka izany, izay hanomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora […]
AMPY AHY

Toy ny fanao mahazatra dia natokan’ny Fiangonana Reniny ho an’ny Antoko Mpihira Analakely (AMA) ny volana Febroary. Ho faranana amin’ny Antsam-piderana goavana nampitondraina ny loha-hevitra hoe « Ampy ahy » izany ny Alahady 26 Aogositra 2023 amin’ny 2ora sasany hariva.
FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

« Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho » Salamo 51, 8a Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.
ALAHADIN’NY FI.MPI.Z.KA – NIREDONA NY FEO MOZIKA

Toy ny programan’ny fiangonana isan-taona dia ny Alahady faha-dimin’ny volana janoary no hatokan’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely ho Alahadin’ny FI.MPI.Z.KA na ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely, ka ny Alahady 29 janoary 2023 lasa teo izany. Ny Salamo faha-150 taona no teny notorian’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael.
10 jona 2023 sy 11 jona 2023 : hotokanana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA

Mandroso tokoa ny asa fananganana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA ary efa manakaiky ny famaranana ny asa. Namaritra tetiandro ny fiangonana roa tonta, dia ny FJKM Katedraly Analakely sy ny FJKM Ampandriakilandy Fiadanana fa hotokanana ny fiangonana ny 10 sy 11 jona 2023.
KATEKOMENA ANDIANY MINO – FANAKY NY FAMINDRAMPO

Fotoan-dehibe ny Alahady 08 janoary 2023 teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely satria notokanana ho mpandray Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena izay nisalotra ny anarana hoe « MINO FANAKY NY FAMINDRAMPO » ka nandritra ny fidirana faharoa tamin’ny 10 ora maraina no nanaovana izany.
SAMPANASA BIBLIOTEKA : ATELIER DE VACANCES

« Milalao sy mifaly miaraka amin’i Jesoa » Hetsika vaovao noforonon’ny Sampanasa Biblioteka ny « Atelier de vacances », nentina indrindra hampizatra ny ankizy fa afaka tsara hatao ny milalao any an-tranon’Andriamanitra. Fanatevenana ny fitaizana omena ny ankizy izany mba hifameno amin’ireo fitaizana omen’ny sampana hafa toy ny Sekoly Alahady, SAMPATI sns…3 taona ka hatramin’ny 18 taona no afaka […]
FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Haingana tokoa ny asa

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangambato » Jeremia 31, 21a Ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA no tsangambato faharoa nankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely. Enim-bolana taorian’ny nandatsahana ny vato fototra, ny faha-19 jona 2022 lasa teo dia mitsangana ny fiangonana ankehitriny, voatafo ny 80% ary efa nampiasaina izany nankalazana ny Kirsmasy 2022.
