FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

“Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho” Salamo 51, 8a

Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.

Raha niato ny asa fananganana ny trano fiangonana ny faran’ny volana desambra 2022 noho ny fialan-tsasatra dia namerina namolavola paik’ady hiatrehina ny tohin’ny asa ny Komity Teknika ny Tao Trano mba hahatrararana ny daty efa naroso hitokanana izany. Mpanao trano sy teknisiana avy aty an-drenivohitra noho izany no nidina any Ampandraikilandy ka ny fiandohan’ny volana febroary no nitohy izany.

Ampahan’asa telo lehibe sisa  no miandry, miaraka amin’ny pitsopitsony madinika, dia ny fandalorana, ny dallage anatiny, ny fandokoana ary ny dabilio. Hisaorana ny Tompo fa vita soamantsara ny fanafona ny trano fiangonana araka ny fepetra takian’izany. Ho vita mialohan’ny faran’ny volana febroary ihany koa ny fandalorana ny anatiny sy ny ivelany miaraka amin’ny dallage.

Nampiray ny fiangonana indray ny RAKITRA RODORODO izay ezaka nentina niatrika ny sasany amin’ireo ampahan’asa ireo. Notanterahina ny Alahady 05 febroary 2023 izany ka toy ny rakitra manodidina no nanaovana izany. Ny Diakona sy ny Komity Tsangambato Ampandriakilandy no nikarakara.

Hiroso amin’ny fampitaovana herin’aratra ny trano fiangonana aloha ka vita io vao holokoina ny rindrina ivelany sy ny anatiny rehetra. Hisaorana ny Tompo fa nisy Kristiana nanolotra ny fampitaovana ny herin’aratra rehetra izay mitentina 3 735 500 Ariary.

Goavana ihany koa ny fampitaovana dabilio ny fiangonana izay miisa 42. Mitotaly 23 100 000 Ar izany ka ny sampana VFL sy ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy no hiara-hisalahy amin’izany.

Nampiseho fiombonana ihany koa ny sampana rehetra ka handray anjara amin’ny fampitaovana madinika anatin’ny fiangonana izay mitsinjara toy izao :

  • Ny pilipitra anankiroa
  • Ny latabatra alitara
  • Ny dabilio eny amin’ny alitara
  • Ny lakroa eny amin’ny alitara
  • Ny lamba litorjika rehetra
  • Ny fitaovana fampandraisana rehetra
  • Ny fitatazan-drakitra rehetra
  • Ny tabilao fasiana laharan-kira
  • Ny tabilao fasiana peta-drindrina
  • Ny fanamafisam-peo sy ny clavier
  • Ny fampitaovana ny biraon’ny Mpitandrina
  • Ny fampitaovana ny trano fisainana sy trano fivoriana
  • Ny akanjo fotsy diakona
  • Ny fitoeram-boky sy boky Kristiana isan-karazany

Araka ny nolazaina dia ny fandokoana no hamaranana ny asa lehibe ny fiangonana mialohan’ny fitokanana. Mitentina 13 452 000 Ar ny teti-bidin’ny fitaovana sy ny karaman’ny mpiasa. Ny sakafom-pifaliana izay hatao ny sabotsy 25 martsa 2023 no hiatrehina izany ka entanina ny fiangonana handray anjara.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email