- NY FIORENANY sy FITOMBOANY
- Fitandremana nitambatra tamin’ny Fiangonana 70 mahery tany aloha nentina Mpitandrina delege 01
- Nankatoavina ho Poste d’Evangélisation (P.Ev. na saha vaovao) tamin’ny 2014, isany zandriny indrindra
- Nahazo Mpitandrina voalohany tena azy manokana ary mitondra azy hatramin’izao
- Ny Commune Ampandriankilandy manontolo no sahan’ny Poste izay zarain’ny renirano Tsinjomorona
- Fiangonana 05 tamin’ny nanombohana (2015) ary 10 ankehitriny miampy ireo fiaraha-mivavaka
- Fiangonana 03 ankoatran’ny FJKM : EKar, Adventiste, Assemblée de Dieu efa misy trano en dur avokoa ny maro
- Statistique sy ny fivoarany: (2015 à 2019-2020)
- Kristiana voasoratra anarana : …………………………………. 389/519
- Vita Batisa : ……………………………………………………………… 257/433
- Mpandray : ………………………………………………………………. 15/49
- Diakona : ………………………………………………………………….. 10/10
- Mpiandry : ………………………………………………………………… 05/08
- Katekista SeFaLa : ……………………………………………………… 02/02
- Sampana : …………………………………………………………………. SaFif – Dorkasy – STK – SLK – SA (nananganana birao ara-dalàna nanomboka 2019 ny sampana; misy tsy mpandray aza ny sasany)
- FIAINAM-PIANGONANA:
- Trano Fiangonana: Fiangonana 04 no efa misy (trano rotso-peta mitafo satrana 4m de long eohoeo)
- Ny eto an-drenivohitra: trano 15m/8m saika hatao biriky ary mitafo satranafa tsy nisy “fer” na “poteaux” dia najanona
- Isaky ny iray volana no mivory amin’ny toerana iray araka ny efa voafaritry ny tetikandro ny Fiangonana rehetra ato amin’ny Poste (antsoina hoe lohavolamben’ny Fitandremana); amin’io koa no mivory ny ambaratonga mandinika sy manapaka raharaha samihafa. Miezaka mamonjy ny toerana ivoriana izay miovaova mitety Fiangonana ny kristiana (axe: 45km du Nord au Sud en passant par la RN6)
- Matetika ampiarahina amin’io koa ny fivoriana ihaonan’ny Sampana Fiandremana ankoatr’izay alahatr’izy ireo
- Olana mahavitsy ny mpivory matetika ny tsy fandraiam-pahalemana sy ny fambolena (rehefa asara)
- Ankoatr’ireo dia misy fandaminana famangiana Fiangonana hataon’ny Mpitandrina sy ny Birao
- Adidin’ny Fitandremana SP 2015 – 2020 : 80.000Ar niakatra 200.500Ar vita tsisy trosa na sarotra aza
- FIAINAN’NY SAMPANA:
- Vitsivitsy ny mpikambana miditra Sampana, sy ny tsy fahazarana mandray andraikitra amin’ny mpitarika
- Tena ilaina ny hisian’ny Tafika Masina sy asa mi-cible kokoa ny sokajin’olona sy taona
Sampana | Zava-misy / Olana | Tohana ilaina |
SaFiF | – Tena maizina ny toerana iasana – Vitsy ny mpiasan’ny SaFiF – Maro ny asa fitaizana an’ireo Kristiana niova fo | – Tafika Masina – Fitaovam-pivezivezen’ny mpiandry – Boky SeFaLa |
Dorkasy | – Vehivavy manana olan-tokantrano (nisara-bady, vady tsy mivavaka, mitaiza irery) – Manetsa no tena fitadiavam-bola mahazatra – Tsy nandia fianarana firy ny maro | – Tafika Masina ho an’ny vahivay – Fanampiana amin’ny asa tanana (akora sy famoaham-bokatra) – Fampianarana arak’asa sy fitaovana: machines, Jiafotsy sy fitaovam-pikarakarana (izay tena miasa amin’ny fivoriana ary azo ampanofaina koa) |
STK | En general: – Maro ny tanora – Be ny tsy an’asa, tsy mianatra – Matanjaka ny fijangajangana sy ny Halatra – Tsy ampy sokajin’asa, hetsika sy fialam-boly | – Tafika Masina ho an’ny Tanora – Fampiofanana arak’asa sy fitaovana momba ny: *fiompiana manaraka teknika *informatique *rafitra hazo sy trano – Maillots, … |
SLK | – Foto-pisainana sy fomba manome vahana ny lehilahy amin’ny fijangajangana sy halatra – Tsy dia mavitrika amin’ny fanompoana noho ny vehivavy rehefa aty amin’ny Fiangonana | – Tafika Masina ho an’ny lehilahy – Fampiofanana arak’asa sy fitaovana momba ny: *fiompiana manaraka teknika *rafitra hazo sy trano |
S.A. | – Maro ny zaza sy ankizy – Betsaka ny tsy mianatra (miandry omby na kely dia efa alefa manambady,…) – Tena maro ny zaza mivavaka fa tsy mandeha ny ray aman-dreniny – Mbola vitsy ny mpampianatra S.A. , mbola tsy mandeha tsarany fampianarana | – Tafika Masina manokana hoan’ny Ankizy – Boky lesona S.A. maromao – Fanomezana madinidinika mahatamana ny ankizy – Tenue tsotsotra hampitoviana ny ankizy |
- TETIKASAN’NY POSTE:
- Fiaraha-mivavaka sy Fiangonana isaky ny tanàna rehetra ato amin’ny Commune manontolo
- Mampitombo ny isan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
- Fanoratana ara-panjakana ny tokantrano kristiana rehetra, tohizana amin’ny Mariazy am-piangonana
- Fanofanana mitohy ny tomponandraikitra rehetra (ezahina ho tafita SeFaLa avokoa)
- Trano Fiangonana ara-dalàna isaky ny Fiangonana
- Ezaka trano ipetrahan’ny Mpitandrina (hofana isam-bolana ny trano ipetrahany amin’izao)
- Sekolim-piangonana
- Fanokanana ny Mpitandrina (24-25 Jolay 2021 ao Ampandriankilandy)
- FILAN’NY POSTE AMIN’NY ANKAPOBENY:
- Fitaovana mamatsy sy manohy ny Fitoriana Filazantsara (Baiboly sy Fihirana, tractes, videoprojection)
- Bureautique: *Certificats samihafa
*Boky torolalana sy fiofanana samihafa
- Fandraisana an-tanana sy fiahiana ireo niova fo ka voahilika
- Tohana masomboly sy fitaovam-pambolena ho loharanom-bola maharitra
- Fanohanana Katekista Delege izay kasaina hanampy amin’ny Fitoriana Filazantsara
- Imprimante multi-fonction (sady hiaraha-miasa amin’ny fiaraha-monina)
- Energie Solaire
- Sekoly (fijoroana vavolombelona satria tsisy sekolim-piangonana ato, ary ho loharanombola maharitra)
- Trano ipetrahan’ny Mpitandrina an’ny Poste
- MOMBA NY MPITANDRINA :
- Niomana tany Mandritsara – Ivato ; nivoaka 2015 ary voatendry sy mbola miasa eto amin’ny Poste
- Manambady ary manan-janaka 02 lahy sy vavy 01, manana taiza 01
- Andraikitra:
- Evanjelistra mitondra ny P.Ev. Ampdanriankilandy
- Mpitandrina delege amin’ny Fitandremana 02 hafa (à 50km et 20km d’A/kilandy)
- Biraon’ny komity Mpitantana Toby Kristy Manafaka Ibora sady Mpitandrina mpiahy
- Biraon’ny SP Sofia Andrefana (Mpitantsoratra PV)
- Filoha Faritra Avaratra SP
- Filoha SaAFF SP
- Filoha Mpanampy STK SP
- Aumonier et Responsable Studio et Programme Radio Andrea Antsohihy