FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FAMPIANARANA : NY BATISA SY NY FANAVAOZAN’NY FANAHY MASINA

HERINANDRON’NY FANAHY MASINA – ZOMA 21 MAY 2021 – Jao.1 : 29-34

1. NY BATISA ARAKA NY SORATRA MASINA

📌 Ny Batisan’i Jaona
Ilay mpanoratra sy mpandalina tantara nantsoina hoe Joseph Flavius dia nanambara ny fahamarinan’ny tantara fa nisy tokoa izany mpitoriteny malaza teny an-kalamanjana ary niasa teny amin’ny faritra manodidina ny reniranon’i Jordana sy Betania izay nitaona ny olona hibebaka tamin’ny vanimpotoanan’i Jesoa avy any Nazareta izy ary nanambara ny amin’ny fihavian’ny Mesia i Jaona Mpanao Batisa (Matio 3 :11).
Isan’ny nanaiky hataon’i Jaona Batisa i Jesoa Kristy tao amin’ny reniranon’i Jordana. Nandritra ny batisan’i Jesoa no nahitana ny Fanahy Masina nidina nipetraka teo amin’i Jesoa ary naka endriky ny voromailala (Mat.3 :16)
Ny dikan’ny teny hoe « Batisa » dia avy amin’ny teny grika hoe : « Baptijo / Baptizo » dia manao ankisitrika, milentika na mitsoraka anaty rano « plonger, immerger, submerger (d’un navire coulé) », midio, misasa na mandro « Purifier en plongeant ou submergeant, laver, rendre pur avec de l’eau, se laver, se baigner, accabler ». 

📌 Ny Batisan’ny Fanahy Masina
I Jaona Mpanao Batisa dia niteny hoe : « Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina » (Mar.1 :8). Tamin’ny Andro Pentekosta dia tsy hoe nitsoboka na najoboka tao anaty rano akory ny Apostoly sy ny mpianatra fa ny Fanahy Masina mihitsy no nanenika sy nandrakotra ny trano niangonany ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra (Asa.2 :1-4). Io dia fahatanterahan’ny voalazan’ny Mpaminany Joela 3 :1,2). Ny Batisan’ny Fanahy Masina dia fandraisana ny Fanahy Masina. Taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia norakofan’ny Tompo sy nomeny ny Fanahy Masina ny mpianatra : « Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina » (Jao.20 :22).
Ny Batisan’ny Fanahy Masina dia mahatonga ny olona hihavao ary hanaiky ho havaozin’ny Fanahy Masina. Tonga olom-baovao ny olona natao Batisa tamin’ny Fanahy Masina.
Ny Batisa dia atao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia indray mandeha tsy miverina (Mat.28 :19-20)

2. NY ASA FANAVAOZANA SY FIHAVAOZANA TARIHIN’NY FANAHY MASINA

📌 Andriamanitra mihitsy no manavao :
Andriamanitra no manavao antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny. Manomboka amin’ny nandraisana ny Fanahy Masina tamin’ny Batisa izany. Ny Fanavaozana ataon’Andriamanitra dia ho fanohizana ny asa fahariana ny asa fanavaozan’Andriamanitra (Gen.1 sy 2). Izay no dikan’ny voalazan’ny Soratra masina hoe « Indro havaoziko ny zavatra rehetra » (Apo.21,5)
Ao amin’ny Fitomaniana, rehefa rava i Jerosalema dia anisan’ny vavaky ny Jiosy ny fitalahoana amin’Andriamanitra mba hanavao (hanamboatra) indray ny tanàna efa rava ho tsara na farafaharatsiny hitovy amin’ny teo aloha. Tsy ny tanana ihany no havaozina fa ny fanahin’ny olona koa ka hitodika hanompo an’Andriamanitra. « Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay ». (Fit. 5,21)
Ao amin’ny Apokalypsy, Andriamanitra mihitsy no mampanantena fa hahary lanitra vaovao sy tany vaovao (Apo.21,1) cf (Isa.65,17; Isa.66,22)

📌 Ireo endrika isehoan’ny Fanavaozan’Andriamanitra : 
Fanadiovana ny olona monina amin’ny tany noho ny fahotany. Izany no antony nandringanan’Andriamanitra ny mpanota tamin’ny ny Safodrano (Gen.9,11-15) ary ny nandoroany an’i Sodoma sy Gomora (Gen.19,24). Ireo olo-marina kosa tahaka an-dry Noa sy ry Lota dia navotany ho afaka tamin’ny loza nanambana.
Asa famoronana sy fahariana mitohy no ataon’Andriamanitra ho fanavaozana ny tany aman-danitra araka ny voalaza hoe : « Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy » (Isaia 42 :5). 
Asa fanovana tanteraka « transformation » : « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo ». Ezekiela 36:26.
Asa fanafahana ataon’ny mpanompon’i Jehovah : « Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava » (Isa.61). 
Asa famelomana aina mihitsy : « Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy » hoy i Joba (Joba 33:4). NY FITSANGANAN’I JESOA KRISTY TAMIN’NY MATY DIA ENDRIKA FANAVAOZANA, izany hoe : niara-maty tamin’i Kristy ny Fahotana ary niara-belona taminy koa isika tamin’ny fitsanganana amin’ny maty. Araka ny voalazan’i Paoly hoe : « Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao »

📌 Ny Fiainan’ny Olom-baovao nohavaozin’ny Fanahy Masina :
Manaiky ho tarihina sy havaozin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olom-baovao: « Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao ». (1 Sam.10,6)
Hamarinin’Andriamanitra amin’ny Finoana ihany koa izy: « Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ». (1 Kor. 6,11
Mahatsiaro tena ho Tempolin’Andriamanitra mendrika ny olom-baovao: « Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra no anatinareo ? » (1 Kor. 3,16

An’Andriamanitra irery ny voninahitra !

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email