FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HO TAFIAN’NY TOMPO NY HERIN’NY AVO ISIKA

HERINANDRON’NY FANAHY MASINA – TALATA 18 MAY 2021 – Lioka 24: 44-49

« fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo » (And.48b). Taorian’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia nanao ity fanambarana miezinezina ity i Jesoa ho fampanantenana fa hampidina ny Fanahy Masina Izy ary nanafatra ny mpianany mba tsy hiala ao Jerosalema aloha mandra-pandrainy ny Fanahy Masina « Hery avy amin’ny Avo ». Ao anatin’ny herinandro iandrasantsika ny Pentekosta isika ary miandry amin’ny fanantenana ny herin’ny Fanahy Masina isika mba hampahery antsika, indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra iainantsika eto amin’ny firenena izao.

HO TAFIAN’NY TOMPO NY HERIN’NY AVO ISIKA KA :

1. HAHATAKATRA FA I JESOA KRISTY NO FAHATANTERAHAN’IZAY VOALAZAN’NY SORATRA MASINA

Teo amin’ny Jiosy dia ny lalàn’i Mosesy no nekena ho Soratra Masina ary nivoatra hatrany izany ka tafiditra tao ihany koa ny Mpaminany sy ny bokin’ny Soratra, izany hoe ny Testameta Taloha iray manontolo. Io Testameta Taloha na Fanekena Taloha io dia milaza ny fanantenana ny hihavian’ny Mesia « Voahosotra » avy amin’ny taranak’i Davida. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy io fanantenana ny amin’ny fihavian’ny Mesia io. Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany izany ka nilazany hoe « Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo » (And.44). Haka ohatra vitsivitsy isika : Voalaza ohatra ao amin’ny Mika 5, Isaia 11, Isaia 61 ny fampanantenana na ny teny faminaniana momba ny amin’ny hihavian’ny Mesia. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ho tafian’Andriamanitra ny Hery avy amin’ ny Avo isika mba hisokatra ny saintsika ka hahalala ny Soratra Masina (And.45) tahaka ny Mpianatry ny Tompo. Io Fanahy Masina io no hananatra sy hampahatsiahy antsika ary hahafantatra fa i Jesoa Kristy no fahatanterahan’ny voalazan’ny Testameta Taloha. I Jesoa Krisrty no ivon’ny Soratra Masina. I Jesoa Kristy koa no tondroin’ny Boky rehetra ao amin’ny Soratra Masina. Noho izany rehefa mitoriteny isika, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy manondro an’i Jesoa Kristy ilay nitsangana tamin’ny maty ny toritenintsika. Rehefa mamaky Soratra Masina isika dia tokony mitaona antsika hihaona amin’i Jesoa Kristy ny Perikopa vakintsika. I Jesoa Kristy ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo niara-nonina tamintsika.

2. HAHAFANTATRA TSARA NY ASAM-PANAVOTAN’I JESOA KRISTY

« Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo » (And.45,46) Ny Fanahin’ny Avo dia ny Fanahy Masina izay asalotry ny Tompo antsika dia manokatra ny saintsika ihany koa hahalala tsara izay tian’Andriamanitra ho fantantsika momba ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika. Tonga tety ambonin’ny tany i Jesoa, niaritra fahoriana Izy, nohombohana tamin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo (And.46). Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Asan’ny Fanahy Masina no manome faharanitan-tsaina antsika hahafantatra ny asam-panavotan’i Jesoa Kristy izay maty sy nanolotra ny ainy hamonjena antsika. Tsy ho takantsika ny lanja sy ny sandan’ny famonjen’i Kristy raha noho ny fahakelezan’ny saintsika, fa ny Fanahy Masina kosa no mameno ny fahalalantsika hahatsapa ny maha sarobidy ny asam-pamonjen’i Jesoa Kristy nandresy ny herin’ny fahafatesana ary mampanantena antsika koa ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

3. HO MPISITRAKA NY TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA

Araka ny finoan’ny Jiosy dia ny taranak’i Abrahama ihany no voafidin’Andriamanitra ho fitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary ny jiosy irery ihany koa no taranak’i Abrahama mandova ny teny fikasana. Nambaran’i Jesoa Kristy fa isika koa na dia tsy Jiosy aza dia natao ho antsika koa ny teny fikasana, araka ny voalazan’ny tompo hoe : « Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo » (And.49) Tsy ho haintsika anefa ny misitraka izany raha tsy eo ny Fanahy Masina izay atafin’ny Tompo antsika. Ny Fanahy Masina no mampiombona antsika tsy misy fanavahana handray ny teny fikasana, araka ny voalaza hoe : « fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy » (Asa.2 :39). Tsy mialonjafy ary tsy manavaka i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina.

4. HO VAVOLOMBELONA HANAMBARA NY FILAZANTSARAN’I JESOA KRISTY

« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo » (And.48) Rehefa nomen’ny Tompo antsika ny fanahy Masina arak’izay nampanantenainy dia ho hery lehibe ho antsika izany mba ho entina mijoro ho vavolombelon’ny Tompo. Ny Mpianatra tokoa no vavolombelona nahita, ary nisy mihitsy aza ny nanatri-maso toy ny Apostoly ny nijalian’ny Tompo, ny nahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Ireto Apostoly sy Mpianatra ireto dia irahana hanambara izany ho ren-tany sy ho ren-danitra. Tsy ho an’ny Jiosy ihany fa ho an’ny Jentilisa koa.Ry havana malala, Ny Fanahy Masina omen’ny Tompo ho antsika dia hery lehibe ahafahana manatanteraka ny iraka anirahan’ny Tompo antsika mba hijoro ho vavolombelony hatramin’ny faran’ny tany araka ny voalaza hoe : « Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asa.1 :8). Koa rehefa manaiky isika fa miasa ao anatintsika ny Fanahy Masina dia ampiasao ny otrikery omen’ny Fanahy Masina antsika mba ho angovo hitoriana ny Filazantsara sy hananantsika fahasahiana hitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty.

FEHINY

Isaorantsika ny Tompo nanome antsika ny Fanahy Masina mba hahatakarantsika fa i Jesoa Kristy no fahatanterahan’izay voalazan’ny Soratra Masina, Mbola asan’ny Fanahy masina koa no mampahafantatra antsika hahalala ny lanja sy ny sandan’ny asam-panavotan’i Jesoa Kristy, Ny Fanahy Masina koa no mampiombona antsika hisitraka ny teny fikasan’andriamanitra, ary ho vavolombelona hanambara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

An’Andriamanitra irery ny voninahitra !

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email