FJKM KATEDRALY ANALAKELY

INONA NO ATAO HOE FIANGONANA MANDROSO ?

Asan’ny Apostoly 2,36-47

1. Ny. atao hoe « Fiangonana »

Ny Fiangonana dia avy amin’ny teny Grika hoe : « Ek » na « Ex » Izay midika hoe “niala avy amin’ny toerana iray ho amin’ny toerana hafa” ; ary ny matoanteny hoe « Kaleo » dia midika hoe : « miantso ». Ireo teny roa ireo no natambatra hoe : « EKKLESIA » izay adika hoe : vondron’olona nantsoina hiala avy amin’ny toerana iray hiombona amin’ny toerana iray. Ny Ekklesia dia fiombonan’ny olom-boaantso niala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana (1 Pet.2,9), noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny Fiangonana izany dia fiombonan’ny olom-boaantso ; Fiombonan’ny olona masina. Olona ny Fiangonana fa tsy trano akory. « Ekklesia = Assemblée » : « réunion de personnes »= Antenimieran’ Andriamanitra ny fiangonana.

2. Ny toetran’ny Fiangonana

Tokana ny fiangonana, ary Jesoa Kristy no lohany. Izy no fehizoro indrindra (Efe.2,20-22). Tenan’i Kristy ety an-tany ny Fiangonana. Satria Tokana i Jesoa Kristy dia tokana ny Fiangonana.

Manerana izao tontolo izao « Katolika » (Universelle) ny Fiangonana. Izany no mahatonga antsika hanonona ny fanekem-pinoana hoe : « Mino ny fiangonana … manerana izao tontolo izao ». Na ny fiangonana « réformée » tahaka ny FJKM, ny Fiangonana Katolika Romana, na ny FLM, na ny EEM, na izay miombona amin’ny Conseil Œcuménique des Eglise (COE) dia samy isan’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao na samy manana ny foibeny avy aza.

Masina ny Fiangonana : masina=miavaka na voatokana. Masina ny Fiangonana satria masina i Jesoa Kristy, Masina Andriamanitra (Lev.11, 44-45). Miavaka amin’izao tontolo izao ny fiangonana « ao amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao » (Jao.17,11-16).

Apostolika ny Fiangonana : Maharitra amin’ny fampianaran’ny Apostoly. Ny Fampianaran’ny Apostoly dia tsy inona akory fa ny Soratra Masina izay mirakitra ny tenin’Andriamanitra. « Sola scriptura » (Asa.2 :42)

3. Ny sakafon’ny Fiangonana

« Ny tenin’Andriamanitra » sy « ny Sakrameta » no sakafo mahavelona ho an’ny fiangonana. Ny sakramenta dia manambara ny fahasoavan’Andriamanitra izay raisina amin’ ny alalan’ny famatarana hita maso ; toy « ny rano » amin’ny Batisa ary « ny mofo sy ny divay » amin’ny Fanasan’ny Tompo. Roa no isan’ny sakramenta amintsika Protestanta (Batisa, Fanasan’ny Tompo) arak’izay nanafaran’ny Tompo hataon’ny mino (Mat.28, 19 ; Lio.22,19-20). Ny Fiangonana (olona) tsy mamaky Soratra Masina sy tsy mahita tsirony amin’ny tenin’Andriamanitra dia olona tsy ampy sakafo. Koa mamakia Baiboly isan’andro ary ataovy ho zava-dehibe ny mandray ny Fanasan’ny Tompo.

Tsarovy fa ny olona mandray Fanasan’ny Tompo dia tokony hiatrika ny « Ankatoky ny Fandraisana » ho fanomanam-panahy « mamantatra ny tenany » ka mba tsy hisotro fanamelohana ho an’ny tenany satria mandray amin’ny fanahy tsy mendrika (1 Kor.11, 27-29).

4. Ny antoky ny fandrosoan’ny Fiangonana

• Manaiky ho tarihina (and.38) sy hiasan’ny Fanahy Masina ny mpino tsirairay isan’ny fiangonana (Asa.2,4). Ny Fanahy Masina no mampitombo ny fanomezam-pahasoavana. Ary ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny asa fanompoana no mampandroso ny fiangonana (and.4-10 ampitahao 1 Kor.12 -13). Manome hery sy fahasahiana hitory ny tenin’Andriamanitra ny Fanahy Masina (and.14…)
• Mazava ny fototry ny toritenin’ny Fiangonana sy ny iorenan’ny finoany : « Jesoa Kristy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty nefa nitsangana tamin’ny maty no Tompo sy Mpamonjy. » (Asa.2, 36)
• Resy lahatry ny tenin’Andriamanitra « voatsindrona am-po » ny fiangonana (olona) ka mibebaka (and.37) ary manaiky hatao Batisa. Ny Batisa izay varavarana hidirana ho isan’ny fiangonana vahoakan’ny fanjakan’ Andriamanitra, mandova ny Teny fikasan’Andriamanitra (and.39). Misitraka ny famindram-po sy ny famelan-keloka atolotry ny Tompo.
• Ny Fiangonana mandroso dia fiangonana mitombo. Mitombo ny isan’ny olona miova fo, mitombo ny finoana ny tenin’Andriamanitra ary miha maro ny vita batisa (and.41)
• Maharitra amin’ny fiombonana « Koinonia » (Fifankatiavana, fiaraha-misakafo, indrindra fa ny fiaraha-mandray ny Fanasan’ny Tompo « famakiana mofo »), ny fianarana ny tenin’Andriamanitra « Fampianaran’ny Apostoly » ; ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fivavahana (and.42).

5. Ny fiainan’ny Fiangonana

Satria Masina ny fiangonana, noho izany dia miavaka amin’izay fikambanana sy vondron’olona fahita an-davan’andro izy. Ireto ambara amin’ny teny fototra amin’ny teny Grika ireto no mampiavaka azy :
• KOINONIA « fiombonan’aina » (Asa. 4,32-37). Niombonany ny fananana, ny tombontsoa iraisana ; hatramin’ny zanaka am-pielezana avy any Kyprosy dia niombon’aina tamin’ny mpianatra. « Niray fo sy saina » ary niara-nidera an’Andriamanitra ny mpianatra.
• DIAKONIA : « Asa fanompoana » (Asa.6,3-7) « Hitandrina latabatra ». Ny tiana hambara amin’izany dia ny asa fanompoana rehetra fanaon’ny mpino : fikarakarana ny mahantra (fiantrana), fikarakarana ny asan’ny fiangonana : Adidy, fifamangiana, fampaherezana…NY ASA FANOMPOANA Maimaim-poana sy an-tsitrapo.
• MARTURIA : « maritiora, fijoroana ho vavolombelona » (Asa.6,8-15 ; Asa 9,19-31) « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany ». (Asa.1,8)

6. Ny fahavalon’ny Fiangonana (Asa 5)

• Ny fihatsaram-belatsihy (Asa 5, 2),
• Ny fitiavan-tena sy ny hafetsena
• Ny ady fahefana sy fitiavam-boninahitra manakona ny voninahitr’Andriamanitra
• Ny asan’ny satana
• Ny lainga : « mandainga amin’ny Fanahy Masina » (and.3)
• Ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-karena diso toerana ka mitondra any amin’ny sain-dratsy tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
• Ny fanaovana ny fiangonana ho toerana hanafenana ny ratsy atao. « zohy fieren’ny Jiolahy » (Mat.21,13)

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email