FJKM KATEDRALY ANALAKELY

INONA NO ATAO HOE : “FANAHY MASINA” ?

HERINANDRON’NY FANAHY MASINA – ALAKAMISY 20 MAY 2021

Tsy fampianarana Dogmatika sy Teolojika akory no atao fa fifampizarana fohy sy voafintina momba ny tsara ho fantatra mahakasika ny Fanahy Masina.

1. Ny dikan’ny hoe : “Fanahy Masina” araka ny Soratra Masina

📌 Ny Fanahin’Andriamanitra
Ny Fanahy dia antsoin’ny hebreo hoe « Ruah » na ilay nadika amin’ny teny Grika hoe : « Pneuma » ; amin’ny teny latina hoe « spiritus ». Ny Fanahin’Andriamanitra dia nantsoina hoe : « Ruah » n’i Yahweh (Jehovah) na ny Tompo. Noharina amin’ny « fofonain’Andriamanitra » : Fofonaina mahavelona mitondra aina (Gen.2,7), rivotra mahery vaika sy matanjaka. Niasa tao amin’ny Mpitsara « Samsona » (Mpits.13,25). Ny Mpanjakan’ny Isiraely rehefa hosorana ho mpajaka dia midina ao aminy ny Fanahin’Andriamanitra mba hiorenan’ny Fahefany (1 Sam.16,13). Ny Mpanompon’i Jehovah « Mesia » izay nandrasan’ny Jiosy hamonjy sy hitondra fahafahana ho azy dia itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra : « Ary ny fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah » (Isa. 11,2)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ». (Jao. 4,24)

📌 Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina
Ny Filazantsara araka an’i Matio sy Lioka dia samy milaza fa avy tamin’ny Fanahy Masina no nahaterahan’i Jesoa (Mat.1,18 sy 20 ; Lio.1,35). Rehefa natao Batisa Jesoa dia nidina teo aminy niendrika voromailala ny Fanahy Masina (Mar.1,10 ; Lio.3,22 ; Jao.1,32). Tao amin’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina ary taorian’ny niakarany amim-boninahitra tany an-danitra « Pentekosta » dia nomeny ny mpino ny Fanahy Masina : « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny ». (Jao. 7,39). 

📌 Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana 
Aina sy hery omen’Andriamanitra ary raisin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina (Asa.1,8a ; 2,4 ; 8,15 ; 19,2 ;…). Fanomezana avy amin’ Andriamanitra Izy (Lio.11,13 ; Asa. 2,38). Teraka noho ny asan’ny Fanahy Masina ny Fiangonana (Asa.2). Ny Batisa ao amin’ny Fiangonana dia atao amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Mat.28,19). Asan’ny Fanahy Masina no mitaona ny olona hivory ary faharesen-dahatra nohon’ny asan’ny Fanahy Masina sy ny Toriteny no nampitombo ny  Kristiana « Fiombonan’ny Mpino : Ekklesia » (Asa .2). 

2. Ny herin’ny Fanahy Masina

📌 Herin’Andriamanitra mahery vaika « dynamis »
Ny Fanahin’Andriamanitra dia hery avy amin’i Jehovah (Mika 3,8). « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany ». (Asa.1,8)

📌 Ny faharanitan-tsain’Andriamanitra « Intelligence divine »
Mampianatra ny mpino hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy « Esprit de discernement » ny Fanahy masina. Mitarika ny olona hahatakatra ny tian’ny Tenin’Andriamanitra hambara Izy. Izany no antony ilàna ny vavaka fitsilovana rehefa hamaky ny Soratra masina. Manome fahaizana manokana ny Fanahy Masina « Fiteny maro samy hafa » (Asa.2,1-13). Ny Fanahy Masina dia mampahatsiahy antsika fa Zanak’ Andriamanitra isika (Rom.8,16)

📌 Manetsika na mitondra ary miasa ao amin’ny olona
I Jesoa Kristy dia nentin’ny Fanahy Masina nankany an-efitra (Mat.4,1 ; Mar.1,12). Miasa ao amin’ny olon’Andriamanitra Izy (ohatra : Simeona : Lioka 2,25-27). Feno ny Fanahy Masina ireto olona ireto (Maria : Lio.1,35 ; Elizabeta : Lio.1,41). Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra. (Asa. 13,52)

📌 Manome fahasahiana ny Fanahy Masina
« Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana. ». (Asa.4,31)

📌 Miavaka « masina » noho ny asan’ny Fanahy Masina ny Mpianatr’i Kristy, ary mandresy ny fahotana sy ny fahafatesana
Ny olona ao amin’i Kristy dia iasan’ny Fanahy Masina, ary mandeha araka ny Fanahy fa tsy mitoetra ao amin’ny fahotana sy ny fahafatesana (Rom.8,1-9)

📌 Hery mampitombo ny fanomezam-pahasoavana samihafa ny Fanahy Masina 
Fahaizana, talenta, fahalalana, harena manokana no soa omen’ny Fanahy Masina maimaimpoana ny mpino. Zarazarainy ho samihafa izany mba hampiasaina amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra (1 Kor.12,1-13)

📌 Raisina amin’ny alalan’ny Fametrahan-tanana ihany koa ny Fanahy Masina 
« Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo ». (Asa. 8,17)

📌 Mampiteny ny mpaminany sy ny Apostoly na ny mpianatra (Lio.12,12) 
Nampiteny an’i Zakaria rain’i Jaona mpanao Batisa ny Fanahy Masina (Lio1,67). Rehefa nandray ny Fanahy Masina  i Petera sy ny Apostoly dia nitoriteny (Asa.2,14-40).  Fa hoy Paoly : « ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery » (1 Kor. 2,4)

3. Ny asan’ny Fanahy Masina 

📌 Fanahin’Andriamanitra Mpahary sy mambomba
 « Ary ny fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano » (Gen.1,1).

📌 Fanahy Masina Mampiombona
Mampiombona « mitoetra » antsika amin’Andriamanitra (1 Jao.3,24) sady mampiombona ny samy olona ny Fanahy Masina : « Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray ». (Efe. 2,18). Rehefa nandray ny Fanahy Masina ny mpianatra dia niombonany avokoa ny fananany rehetra (Asa.4,32-37).

📌 Fanahy Masina « Parakleto  na mpanampy manolotsaina » 
Mpananatra, Mpanolotsaina,  Mpampahery, misolo vava  (Jao.14,16 ; Jao.16,5-7).
 « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina » (Mar.13,11).

📌 Fanahy Masina Mpanambara « Grand révélateur »
Ny fanahy masina no manambara amintsika fa mpanota isika ka tokony hiaiky ny fahadisoantsika (Jao.16,8). « Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo ». (Jaona 14,26)

📌 Ny Fanahy Masina mifona ho antsika (Rom.8,26) ary andraisana Famelan-keloka, ary izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka (Lio.12,10)

📌 Ny Fanahy Masina, antoky ny Fahariana, sy mitondra fanavaozana
Raha tsy teo ny Fanahy Masina, tsy àry izao tontolo izao « Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia àry izy, Ary manavao ny tarehin’ny tany Hianao » (Sal. 104,30). Manova olona ny Fanahy Masina. Miova ny toetra, miova ny toe-tsaina, miova ny fahaiza-manao sy ny fomba amam-panao : « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana » (Gal. 5,22)

📌 Ny Fanahy Masina, maniraka ny Fiangonana hitory ny Filazantsara (Jao.3,34)
« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy » (Asa. 2,4). Matoa nampitenenina amin’ny fiteny maro samihafa ny mpianatra dia ho irahina hitory ny Filazantsara amin’ny firenena maro no dikany « …ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asa. 1,8). Nindramin’ny Tompo ny hafatra nentin’i Isaia hilazany fa: « Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina » (Lioka 4,18 ; Isa.61,1-2)

4. Ny Soa isitrahantsika avy amin’ny Fandraisana ny Fanahy Masina

📌 Tonga Zanak’Andriamanitra isika (Rom.8,14)
📌 Mahery isika (Asa. 1,8a), afaka hisedra ny sarotra.
📌 Mitombo ny fanomezam-pahasoavana ananantsika 
📌 Omen’Andriamanitra fahafahana isika
📌 Tonga olom-baovao : Misitraka ny fahateraham-baovao (Batisa)
📌 Mandeha araka ny Fanahy
📌 Manana mpananatra sy mpanolotsaina ary mpampahery afaka manampy amin’ny fotoana rehetra isika mba hananantsika fahendrena
📌 Hery fandrisika ho amin’ny Fitoriana ny Filazantsara.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email