FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FAMPIANARAM-PINOANA TSOTRA : INONA NO ATAO HOE “PENTEKOSTA” ?

1. Ny dikan’ny teny hoe : “Pentekosta”

Ny hoe : “Pentekosta” dia avy amin’ny teny Grika hoe : “Pentekosté” izay midika hoe “faha dimampolo”. Araka ny Soratra Masina, ny Pentekosta dia ilay andro firavoravoana teo amin’ny Jiosy manaraka ny herinandro fito taorian’ny Paska (7 andro x 7 = 49 andro, ary ny andro manaraka an’io herinandro io no faha dimampolo na « Pentekosta » (Eks.34,22 ; Deo.16,10 ; 2 Tan.8,13) .

Ny Pentekosta dia iray amin’ireo fety lehibe telo firavoravoana Jiosy tsy maintsy isehoana eo anatrehan’ Andriamanitra tahaka ny Paska sy ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo na fetin’ny tabernakely (ahatsiarovana ny toeran’ny zanak’Israely tao amin’ny trano lay tany an’efitra).

Fety fitondrana ny fanatitra samihafa vita tamin’ny voaloham-bokatra ny Pentekosta satria fety tao anatin’ny vanim-potoan’ny fijinjana (Eks.23,16 ; Nom.28,26 ; Lev.23,16…)

Ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta dia milaza endrika iray maneho ny fisehoan’Andriamanitra “Théophanie” toy ny voalaza tao amin’ny Testameta Taloha raha nanambara ny tenany amin’ny alalan’ny teniny Izy (Eks. 3,1-6 ; Eks.19 :18)

Araka ny voalazan’ny Asa.2 dia rehefa nilatsaka tamin’ny mpianatra rehetra nivory teo amin’ny toerana iray ny Fanahy Masina dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa ny mpianatra. Milaza izany fa ny Fiangonana izay teraka tamin’ny andron’ny Pentekosta dia tsy mialonjafy ary natao hiangonan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka “fiangonana masina manerana izao tontolo izao” (Vocation Universelle de l’Eglise), satria avy amin’ny firenena samihafa ny mpino (Asa.2,5-11).

Ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta dia fahatanterahan’ny teny faminaniana nambaran’ny Mpaminany Joela (Joe.3,1-5) sy Ezekiela (Eze.36,27). Ny nilatsahan’ny Fanahy Masina dia fanandratana ny asa fanavotana nataon’i Jesoa Kristy (Asa.2,32-33).

Ny filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta dia nanamafy orina ny fiombonan’ny mpino na dia avy amin’ny firenena samihafa aza (Asa.2,5-11). Ny filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra tamin’ny Pentekosta dia fanomezana “hery” hoentina mitory ny Filazantsara sy ho fijoroana ho vavolombelona manerana izao tontolo izao, eny hatramin’ny faran’ny tany (Asa.1,8).

2. Inona no atao amin’ny fetin’ny Pentekosta araka ny ambaran’ny Testamenta Taloha ?

📌 Miseho eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahamasinana mandritra ny fivoriana masina (Lev.23,21)
📌 Mitondra fanatitra avy amin’ny voaloham-bokatra, indrindra ny lehilahy (Eks.23,14-17 ; Lev.23,15 sy 16 ; Nom.28,26 ; Deo.16,16-17).
📌 Mandeha any amin’ny Tempoly na ny Synagoga hivavaka na miangona amin’ny toerana iray voatokana (Asa.2,1). Notohizana hatramin’ny andron’ny Testameta vaovao io fombam-pivavahana io.
📌 Mamaky ny lalàna “Torah” satria ny Pentekosta dia fahatsiarovana ny nanomezana ny lalàna na ny “didy folo” tao Sinay (Eks.19,20).
📌Rehefa tonga any an-trano dia ny lehilahy mitarika ny ankohonany hanao akanjo mendrika fanao amin’ny andro firavoravoana ary dia miara-misakafo ny fianakaviana sady mivavaka no mamaky Soratra Masina “Lalàna” na “Torah”.

3. Inona no atao amin’ny fetin’ny Pentekosta araka ny voalazan’ny Testamenta Vaovao ?

📌 Ny Pentekosta dia fanaovana fanompoam-pivavahana ahatsiarovana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra (Asa.2)
📌 Ny Pentekosta dia fanaovana fivoriana masina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ao anatin’ny fiombonana arahin’ny fiaraha-misakafo izay nofaranana amin’ny fiaraha-mandray ny Fanasan’ny Tompo (Asa.2,42-46 ; Asa.20,7)
📌 Nohamafisina ny fiombonana nandritra ny Pentekosta (Asa.2,44)
📌 Notohizana ny fanateram-bokatra sy fanatitra satria andro firavoravoana io.
📌 Ny Pentekosta dia fankalazana ny tsingerin-taona ahatsiarovana ny nahaterahan’ny fiangonana. Tamin’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina nandritra ny Pentekosta no nahitana ny voaloham-bokatry ny fiangonana.
📌 Fanombohan’ny mino ny asa fitoriana ny Filazantsara ivelan’ny fiangonana ny Pentekosta.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email