Nitsingerina ny Alahady 21 jona 2020 lasa teo ny faha 185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy. Niaraka nanamarika izany ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM), Fiombonanan’ny Fiangonana Evanjelika ary ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ka tamin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka izay namohizana ny lohahevitra hoe « Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona ».
Tantaran’ny Baiboly protestanta malagasy
Ny Baiboly protestanta no azo lazaina hoe zokiny tamin’ny dikan-tenin’ny Baiboly amin’ny fiteny malagasy. Tamin’ny taona 1822 ny misionera dia efa afaka nanoratra ny fiteny malagasy merina tamin’ny fampiasana ny abidy latina.
Fanombohan’ny fandikan-teny
I David Jones (tonga tao Antananarivo tamin’ny 04 Oktobra 1820) sy i David Griffiths (tonga tao Antananarivo tamin’ny 15 Mey 1821), izay samy avy amin’ny London Missionary Society (LMS) avy any Angletera no nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny teny malagasy.
Nisy Malagasy nanampy azy ireo tamin’ny fandikan-teny. Tamin’ny 01 Janoary 1827 dia vita dika ny toko voalohany amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Tamin’ny taona 1830 no vita tanteraka ny Testamenta Vaovao ka 3000 no natonta printy teo anelanelan’ny taona 1829 sy 1830[1]. Tamin’ny taona 1835 dia vita dika manontolo ny Baiboly. Vitan’i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly protestanta voalohany tamin’ny 21 Jona 1835[1].
Fandrarana ny fananana Baiboly
Tamin’ny taona 1831 dia voarara ny fananana Baiboly sy ny fivavahana kristiana sady noroahina hody ny misionera tamin’ny andron’ny mpanjakavavy Ranavalona I (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1828 sy 1861)[2]. Novonoina ho faty na nampisotroina tangena izay tratra mitazona Baiboly[3] [4].
Fiverenan’ny fahalalahan’ny Baiboly
Tamin’ny fitondran-dRadama II (nanjaka tao anelanelan’ny taona 1861 sy 1863)[3] sy Rasoherina (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1863 sy 1868) dia niverina nalalaka indray ny fivavahana kristiana sy ny famakiana Baiboly. Namoaka didy famerenana ny fahalalahan’ny fivavahana kristiana tanteraka ny mpanjakavavy Ranavalona II (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1883 sy 1896), izay nandimby an-dRasoherina, sady niova ho kristiana, ka nalalaka ny fananana sy ny famakiana ny Baiboly nasolony ny sampy izay nampandoroiny[5].
Ny Baiboly, izay nitombo isa hatrany, no boky voatonta printy voalohany amin’ny fiteny malagasy[6] ary nanjary lahatsoratra filamatra teo amin’ny fampianarana haisoratra malagasy[7].
Ny fiangonana mampiasa Baiboly protestanta
Ny Loterana sy ny Nohavaozina ary Anglikana
Mampiasa ny Baiboly protestanta ny fiangonana protestanta rehetra eto Madagasikara. Ny protestantisma dia tonga teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka. Misy fiangonana maro ka ny roa voalohany tonga teto Madagasikara dia ny loteranisma sy ny kalvinisma (na presbiterianisma) izay nipoiran’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Tsy ireo ihany no fiangonana protestanta fa ao koa ny Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (METM), ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky (FMTA), ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara (FPVM), ny Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana) (EEM).
Ny Adventista sy ny Evanjelika sns
Mampiasa ny Baiboly protestanta ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra, ny Assemblée de Dieu (Fiangonan’Andriamanitra) sy ny fiangonana pentekotista sy evanjelika (na ara-Pilazantsara) maro samihafa miparitaka eto Madagasikara, raha mbola tsy manana dikan-tenin’ny Baiboly azy manokana. Ny Baiboly protestanta no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Madagasikara talohan’ny namoahany ny dikan-teniny manokana.
Fanitsiana ny Baiboly protestanta. Efa tonga amin’ny fanitsiana fahenina ny Baiboly protestanta. Ity fanitsiana ity dia miavaka amin’ireo natao teo aloha noho ny nanoloana ny teny hoe Jehovah amin’ny hoe TOMPO. Tsy nankasitrahan’ ny mpino protestanta maro izany Baiboly vaovao izany noho io fanesorana ny anaran’ Andriamanitra io.
« Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona », Io no lohahevitra iorenan’ny fankalazana ary tsiahivina sy ampirisihana indrindra ao anatin’izany ny fiainana sy fivelomana tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mirehareha amin’ny fanananantsika ny Baiboly amin’ny fitenintsika isika Malagasy satria anisany Baiboly zokiny indrindra aty Afrika ny Baibolintsika. Miavaka ny tantaran’ny Baiboly Malagasy amin’ny fifamatorany amin’ny tantaran’ny firenena satria boky nentina nampianarana sy nanabeazana ny Baiboly teto amintsika. Heverina ho vakoka sarobidy ihany koa satria mitahiry ny harena sy ny fivoaran’ny tenim- pirenentsika ary azo tarafina amin’ireo fanitsiana samihafa natao tamin’ny Baiboly izany. Fanamby ho an’ny asa fampielezana ny Baiboly ny fandikana azy amin’ny fiteny akaikin’ny fon’ny olona hatrany ka izany no mitaona ho amin’ny fandikana ny Baiboly amin’ny fitenin’ny faritra 22 eto Madagasikara
Izay mila io Baiboly io dia manoratra taratasy na mandefa horonantsary na horonam-peo manazava hoe : “Nahoana aho no mila io Baiboly io?”. Alefa paositra amin’ny “Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, B.P. 922 – (101) Antananarivo” izany na aterina mivantana eny amin’ny foiben’ny FMBM Ampasampito, Immeuble ECE, na alefa mailaka amin’ny fmbm@biblesociety-malagasy.org arahana anarana feno, adiresy mazava ary laharana finday. Marihana fa ireo mandray anjara dia mangataka ny Baiboly mba ho an’ny tenany fa tsy afaka mangataka amin’ny toeran’olon-kafa.