Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

56 TAONA NIHIRANA NY AMA

Mamarana ny fankalazana ny iray volany ny Antoko Mpihira Analakely ka antsan-kira-piderana no nosafidian’izy ireo amin’izany. Fotoana efa hifanomezan’ny AMA ny antsam-piderana isaky ny iray volana ka hiventesan’izy ireo ny hira novelomina hatramin’ny taona 1965 niorenany. Ny tononkiran’ny mpanao Salamo ihany no manosika azy ireo tsy hitsahatra hihira fa hoy indrindra ny Salamo 104, 33b […]

T.A.FI.K.A KITRA

Niverina koa ny fanatanjahan-tena aty am-piangonana, taorian’ny fikatonan’ny fiangonana. Nanatanteraka ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny taranja baolina kitra ao amin’ny Sampana T.A.FI.K.A (Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely), ka ny sabotsy 21 febroary sy 28 ferboary 2021 lasa teo no nanaovana izany. Ny STK Ivandry Firaisana no nikarakara ny hetsika, izay tafiditra tao anatin’ny « Tapa-bolam-bokatra », ka nandraisan’ny […]

Ezaka Baiboly sy Fihirana ho an’Ampandriankilandy

Araka ny toromarika nomen’ny Biraon’ny Fitandremana dia handray anjara amin’ny Tafika Masina any Ampandriankilandy, Faritra Antsohihy amin’ny 14 hatramin’ny 19 aprily ho avy izao ny Sampanasa Biblioteka. Ankoatra ny fanomezana boky fianarana ho an’ireo mpianatra eny an-toerana, hisy koa ny fizarana Baiboly sy Fihirana ary boky kristiana. Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric ny […]

Hafakely ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahady sy Biblioteka

Tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka no nianatra sekoly alahady ny kilasy ankizy kely tamin’ny Alahady 14 febroary 2021 lasa teo. « Endrey ny fifalian’ireto mpianatra mandoko sy manao sary! », hoy ny mpampianatra azy ireo. Amin’ity taona ity, imasoan’ny Biblioteka manokana ny tetikasa miaraka amin’ny ankizy sy ny tanora. Isan’izany tetikasa izany ny fandefasana horonantsary manokana hoan’ireo zanatsika […]

TORITENY AN-KIRA RANORAY

Tsy manam-paharoa ! Niavaka ny fotoam-pivavahana tamin’ny Alahady 31 Janoary farany teo. Hiram-piderana sy fankalazana noravahana feon-java- maneno no hita sy nohenoin’ireo nandeha nivavaka.

Sary mihetsika ho an’ny ankizy kely

Tontosa tamin’ny Sabotsy hariva teo ny fandefasana horonantsary ho an’ny ankizy kely tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka ao amin’ny rihana fahatelo.

MANKALAZA NY FAHA-20 TAONANY NY BIBLIOTEKA

“Zaro amin’ny làlana tokony halehany ny zaza…fa ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay”Oha 22,6a – 2Pet 1,25a Noho ny fitantanan’Andriamanitra dia nahatratra ny faha-roapolo taona ny Sampanasa Biblioteka. Ny Alahady 08 novambra 2020 no nankalazaina tamin’ny fombam-piangonana izany. Tsy nikely soroka ny birao am-perin’asa ka nikaroka ireo Ray aman-dreny nanangana sy nanorina ny Sampana roapolo taona […]

FENO 125 TAONA NY FIFOHAZAM-PANAHY (9 Jona 1895 – 9 jona 2020)

Tamin’ny 9 Jona 1895, raha niara-nivory tao amin-dRainisoalambo izy 13 mianadahy, ka nihira tamin-kafanam-po sy nifandimby nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina, dia nihovitrovitra ny trano. Ary injany nisy feo nanao hoe : «Hamonjy ny oloko Aho, ary ianareo no hitory ny fibebahana aminy». Nilatsaka ny Fanahy Masina, ka nameno azy rehetra. Nitsangana Rainisoalambo, nivavaka, […]