FIFOHAZANA : LOHARANOM-PIDERANA

FIFOHAZANA LOHARANOM-PIDERANA, io no fanentanana nentin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël, tamin’ny fanombohana ny fifampiarahaban’ny sampana FIFOHAZANA, izay natao ny sabotsy 15 feborary 2020 teny amin’ny Le Colisée ampasanimalo. Ny Salamo 33, 1-11 izay mofonaina tamin’io andro io ihany no nangalan’ny Mpitandrina ny fanentanana ka nozarainy fa ny fiainam-pifankatiavana no endrika hanehoana ny fiderana ny Tompo. Antso […]
SAMPANASA AFF, HITORY AN’I JESOA KRISTY OLONA, NY ASANY ARY NY FIAINANY

Tontosa ny tolakandron’ny Alahady 12 janoary 2020 lasa teo ny fanompoam-pivavahana ho fanombohan’ny asan’ny Sampanasa AFF eto amn’ny Katedraly Analakely. Ny fotoana dia notarihin’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael, ny birao sy ny komitin’ny Sampanasa. Ny Mpitandrina RARIJASON Hery, Filohan’ny Sampanasa AFF Foibe teo aloha no nitondra ny lahateny. Nohazavain’ny Mpitandrina ny antom-pisian’ny sampanasa sy ny Filazantsara, […]
FAHA-70 TAONAN’NY SAMPATI FIVONDRONANA TARATRA FAHA-XV KATEDRALY ANALAKELY

Ny 15 Oktobra 1950 no notokanana ny Fivondronana Taratra faha XV. Isaorana ny Tompo raha afaka mankalaza ny Anarany isika amin’izao faha-70 taona niorenan’ny Sampana Mpanazava sy Tily Fivondronana Taratra XV eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely izao. “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” ; izany tenin’ny Soratra Masina izany, izay hita ao amin’ny Matio 5:14 no […]
TAFIKA MASINA FJKM AMBOTSIROA MALALA – Miantso ny kristiana hiverina any am-piangonana

Taorian’ny fangatahana nataon’ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA, faritra Mahitsy, dia notanterahan’ny Sampana Fifohazana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Tafika Masina ny Talata 22 oktobra 2019 lasa teo ka ny Filohany Ramatoa Daddie RATSIFEHERA no nitarika izany. 14 no mpikambana nandeha izay nahitana mpiandry 12. Tsy maintsy nisy aloha ny dinika fanomanana izay niarahana tamin’ny […]
FIARETANA SY FAHARETANA : TANJAKY NY FINOANA
Nanatanteraka fifadian-kanina ny Sampana Fifohazana ny zoma 28 jona 2019, tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely nandritra ny tontolo andro. Misy foana moa ny fampianarana sy fandalinana ny Soratra Masina ka noresahina tao anatin’izay ny asan’ny Fanahy Masina izay mitondra hery sy hazavana ho an’ny olona. Ny fiasan’io Fanahy Masina io ihany koa dia hita taratra […]
Voatokana tamin’ny fombam-piangonana ny Vondrona Fototra Laika

« …inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany… » Matio 5, 47b
