FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FIFOHAZANA : LOHARANOM-PIDERANA

FIFOHAZANA LOHARANOM-PIDERANA, io no fanentanana nentin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël, tamin’ny fanombohana ny fifampiarahaban’ny sampana FIFOHAZANA, izay natao ny sabotsy 15 feborary 2020 teny amin’ny Le Colisée ampasanimalo.

Ny Salamo 33, 1-11 izay mofonaina tamin’io andro io ihany no nangalan’ny Mpitandrina ny fanentanana ka nozarainy fa ny fiainam-pifankatiavana no endrika hanehoana ny fiderana ny Tompo. Antso no nataony mba ho loharano hampiboiboika ny fifankatiavana ny SAFIF.

Niavaka nandritra io fotoana io ny seha-pitaizana izay nisalotra ny fanamiana manokana. Ny seha-pitaizana moa dia zana-tsampana anatin’ny SAFIF, hitaizana ny ankizy sy ny tanora. Ny fandalinana Soratra Masina, ny fianarana hira, ny fampianarana fahalalam-pomba mba ho tsara fitondran-tena, ny fifampizarana talenta, ireo no anisan’ny hetsika ataon’ny seha-pitaizana hanabeazana ireo ankizy sy tanora. Telopolo no isan’izy ireo ary fito no mpiandraikitra. Isaky ny sabotsy atoandro manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 3 ora no fotoam-pivoriana. Na dia vao efa-bolana ny seha-pitaizana dia efa hasain’ny SAFIF FOIBE handray anjara amin’ny antsan-kira izay hatao eny amin’ny Palais des sports ny 13 jona 2020 ho avy izao, fotoan-dehiben’ny SAFIF Foibe izay hanaovana ny vavaka sy fifadian-kanina. Mikasa ihany koa ny hanatrika ny fihaonam-ben’ny seha-pitaizana izay hatao any Mahajanga ny volana oktobra ny seha-pitaizana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely.

Nanakoako nandritra ny fifampiarahabana ihany koa ny teny hoe “IRAKA”(Iray Rohy sy Antso Katedraly Analakely) , teny izay nalaina tao amin’ny 2 Kortintiana 5, 20 ho teny faneva iorenan’ny seha-pitaizana.

Manana ny toerany tokoa ny fitaizana miorina aty amin’ny sampana ho an’ny ankizy sy tanora ka miantso ny ray aman-dreny handefa ny zanany amin’izany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email