FJKM KATEDRALY ANALAKELY

…MANORENA TSANGAM-BATO…

Jeremia 31:21 « Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangam-bato ; Saino tsara ny làlana efa voavoatra, dia ilay làlana efa nalehanao ; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto. »

Io no andalan-tsoratra masina io no teny faneva entin’ny FJKM Katedraly Analakely hovohizina mandritra ity fankalazana faha-160 taona ny fiangonana ity. Mifono hevitra anankiroa izy io ary mifandraika indrindra amin’ny teny iza voalaza mivaingana dia ny « famataran-dàlana » sy ny « tsangam-bato ».

Raha ara-tsoratra masina, ny tsangam-bato dia tsy zavatra vaovao tamin’ny fiainan’ny zanak’israely fa zavatra efa fanao. Hatrany amin’ny bokin’ny Genesisy no efa fomba iray fanehoana fankasitrahana an’Andriamanitra ny tsangam-bato. Tsy fanehoam-pankasitrahana an’Andriamanitra fotsiny anefa fa filazana ny amin’ny taranaka ho avy ny fahatsaran’Andriamanitra

Jereo ireto Josoa 4:1-10, Gen 28:17-18

Raha zohina ireo teny roa ireo dia izay nahita soa avy tamin’ Andriamanitra no nanao izay hamoahana vato hatao tsangam-bato ary fampahafantarana ny rehetra no anton’ireo vato ireo.

Raha ny Jeremia manokana dia mazava ny filazany fa natao ho famantaran-dàlana, izany hoe : FIJANONANA kely dia mitodika mijery ny lasa mba hanatsarana ny làlana ho avy. Ny tapany faharoa amin’ ity andalan-tsoratra Masina ity dia mitarika ny saina hijery ny Lasa. « Saino tsara ny làlana efa voavoatra, dia ilay làlana efa nalehanao ». Ny taom-pankalazana dia fijerena ny lasa ary ny hita ao amin’ny lasa matetika dia ny dian-drantsantànan’Andriamanitra tamin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny fiainan’ny isan-tokatrano.

Ireny asan’Andriamanitra ireny no avadika ho asa ka manjary tsangam-bato. Izany hoe ny isam-pianakaviana no maneho ny fitahiana rehetra voarainy amin’ny alalan’ny asa ka hatambatra ho tsangam-bato.

Tsy ny lasa ihany anefa no voizin’ny tsangam-bato fa mijery ny ho avy ihany koa. Ny tsangam-bato izay famantaran-dàlana ataontsika dia tsy natao ho antsika fa famaritana sahady ny làlana alehan’ny zanantsika rahatrizay. Jereo ny anton’ny tsangam-bato ao amin’ny Josoa 4:6-7

Raha fehezina dia sarobidy ity fankalazana ny faha-160 taona ity fa ahafahantsika maneho ny fahatsaran’Andriamanitra tamin’ny fiainantsika manontolo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email