FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MIARO ANTSIKA AMIN’NY FIZAHAN-TOETRA SY NY FAHORIANA NY FANAHY MASINA

HERINANDRON’NY FANAHY MASINA – ALATSINAINY 17 MAY 2021 – 1 Pet.4 : 12-16

1. IZA MOA NY FANAHY MASINA ?

Ny Fanahy (Esprit) eto dia avy min’ny teny Grika hoe « Pneuma », adika koa hoe fofonaina na rivotra (Souffle) na ny teny hebreo « Ruah ». Ny farafahakeliny tokony ho fantantsika amin’ny asan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao amintsika « ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo » (And.14).

  • Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra feno (Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina), Andriamanitra manatrika sy miara-miaina amintsika ankehitriny. Fanahin’i Jesoa Kristy (Fil 1.19).
  • Mpananatra, Mpanolotsaina, Mpampahery, Mpiaro « Parakletos » (Jao.14 :16,26) ; Hery « Dunamys » (Asa.1 :8a)
  • Mampiteny ny Mpaminany izay mitondra ny hafatra avy amin’Andriamanitra (2 Pet.1 :21)

Fa raha ao amin’ny Epistily nosoratan’i Paoly no raisintsika dia :

  • Herin’Andriamanitra Tsitoha izay manafaka antsika : « Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itœran’ny Fanahin’ny Tompo no itœran’ny fahafahana…ny Tompo dia ny Fanahy » (2Kor 3.17-18). Ny olona miantehitra amin’ny lalàna dia misy sarona (voaly, fisalobonana) ny fony, tahaka ny voaly nanarona ny tàvan’i Mosesy tamin’izy naka ny Didy folo tany an-tendrombohitra. Ka tsy mahita ny tena fahafahana ao amin’i Jesoa Kristy. « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo » (Jao.8 :36).
  • Tempolin’ny Fanahy Masina isika ary Tempolin’Andriamanitra : « Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? » (1 Kor.3 :16)
  • Manamasina antsika sy manamarina antsika ny Fanahy Masina (indrindra amin’ny alalan’ny batisa) : « Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika » (1 Kor.6 :11)
  • Manome sy mampitombo ny fanomezam-pahasoavana hisitrahantsika : « Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. » (1 Kor.4 :6)
  • Ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina sy i Jesoa Kristy dia mahatonga antsika ho afaka hisitraka ny fitiavan’Andriamanitra, ny fitahiana sy ny fahasoavan’Andriamanitra feno sy lavorary, araka ny Tsodrano notononin’i Paoly hoe : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. » (2Kor 13.13)
  • Mampianatra ny Fiangonana hahatakatra ny fanambaran’ny Soratra Masina ny Fanahy Masina (1Kor 2.6-16 ; 2Kor 3.12-18)

2. INONA MOA NO KARAZAN-TSEDRA NA FIZAHANTOETRA VOALAZA ETO ?

  • Fizahan-toetra mahamay (and.12) Inona moa no atao hoe Fizahan-toetra ? Fizahan-toetra = Fanadinana, Fitsapana, sedra ataon’Andriamanitra hanaporofoana fa miorina mafy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny kristiana.
    • i. Fanadinana ataon’Andriamanitra mba hizahana sy hanombanana ny Finoantsika.
    • ii. Sedra avelan’Andriamanitra hiseho mba hitaizana antsika hitombo sy hanam-paharetana sy fiaretana amin’ny finoana « satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana » (Jak.1:3)..
  • Fanaratsiana (And.14).
  • Fanenjehana noho ny fahamarinana fa tsy hoe fanenjehana satria mpanao ratsy (And.15)
  • Mijaly noho ny fanarahana an’i Kristy (And.16)

3. AZA MENATRA NOHO NY FIARETANA FIJALIANA NOHO NY MAHA KRISTIANA

  • Ny Fanahy Masina no manome hery antsika ho afaka hiaritra fahoriana sy fanenjehana ary fizahan-toetra : « Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy ; »
  • Na eo aza ny fizahan-toetra lalovantsika dia fenoy Fisaorana sy Fankalazana an’Andriamanitra ny fiainantsika « fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy » (And.16). Ny Fomba ilazan’ny Apostoly Jakoba azy dia hoe : « Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana » (Jak.5 :13).

FEHINY

Hery tsy hay tohaina manampy antsika ho afaka hiaritra fahoriana ny Fanahy Masina ; sady mpananatra izy no mpanolotsaina no mpiaro. Koa na misy fanenjehana, na misy fiampangana, na misy loza dia tsarovy fa Andriamanitra manatrika antsika isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no manamarina antsika, ny Fanahy Masina dia mampitombo ny fanomezam-pahasoavana ho entintsika manompo an’Andriamanitra ho amin’ny fahombiazana. Ny Fanahy Masina dia mitaiza antsika hahita fifaliana na dia miara-miombona fijaliana amin’i Kristy aza, ny Fanahy Masina mampifaly antsika noho ny fahitantsika ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra.

An’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen !

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email