FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FIHAONAMBEN’NY SAMPANASA AFF : MANAO MPIANATRA

Tontosa tany Ambanja ny faha-14 ka hatramin’ny 17 septambra 2023 lasa teo ny fihaonamben’ny sampanasa AFF izay nahitana mpizaika 900 avy amin’ny synodamparitany 36 manerana ny nosy. 14 no isan’ny solontenan’ny sampanasa AFF avy amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY, izay notarihin’ny Filohany dia Andriamatoa RAMANANTSOA Lucien.

Ny tanànan’ Ambanja no nandray ny Fihaonambe Sa-AFF 2023. Tanàna, avaratra andrefan’ny nosy, ao anatin’ny Faritra Diana, miorina manodidina ny renirano lehibe antsoina hoe Sambirano izay avy amin’ny loharano mikoriana avy any amin’ny tendrombohitra Tsaratanàna misy tahirin’ala mirefy 59280 ha, ahitana ny tendro avo indrindra eto Madagasikara dia i Maromokotra izany: 2876 m.

Tanàna lalovan’ny lalam-pirenena faha-6, 218 km miala an’ Antsohihy, ary 240 km avy eo Antsiranana. Ny Faritra dia malaza amin’ny vokatra Ylang-ylang sy ny kafé ary indrindra ny cacao izay mamelona fianakaviana maro. Manana toetr’andro mafana toy ny faritra atsinanana saingy maimaina kokoa.

Ny FIANGONANA FJKM KRISTY FAHAZAVANA no ivo-toerana nanatanterahana ny Fihaonambe, izay niompana tamin’ny Lohahevitra hoe : ” SA-AFF MANAO MPIANATRA.”, izay nalaina tao amin’ny Matio 28, 19. Nanomboka tamin’ny 10 ora katroka ny Fotoam-pivavahana Fanokafana. Ny synodamparitany Andrefana no nahatonga solontena be indrindra : 145, nanaraka azy ny synodamparitany faha- 19 : 87. Niisa 88 kosa ny Evanjelisitra nanatrika ny fotoana.

Ny tolakandro no nanombohana ny fampianarana izay naharitra hateloana, ka toy izao manaraka izao ireo Lohateny nodinihina nandritra ny Fihaonambe :

1. ATAOVY MPIANATRA NY FIRENENA REHETRA. Mat.28:16-20.

Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, Mpitandrina.

Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ny AFF Foibe FJKM.

2. MANAO MPIANATRA IREO TARANAKA MIFANDIMBY.

* Mbola Firenena Kristiana i Madagasikara amin’ny taona 2118.

Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona. Mpitandrina. Sekretera Jeneraly FJKM.

3. NY DIDY FOLON’NY ” MATHETES ” (=Mpianatr’i Jesoa)

Atoa DINA Razaf. Mpitandrina. Filohan’ny SA-AFF FJKM.

4. SA-AFF sy ny ho avy.

 Atoa RARIJASON Hery, Mpitandrina Filoha SaAFF FOIBE teo aloha.

Nizotra ara-potoana sy tamim-pilaminana tao anaty fifankatiavana tokoa ny Fihaonambe, ka nahitana taratra sahady fa niova ho ” MATHETES” daholo ny mpizaika. Ka ny tarigetra dia hoe : SAHIA MITORY FA AZA MATORY, NY MPIANATRA FETSY TSY MAINTSY MANDRESY ” MATHETES.” *

Olona 1306 no tonga nanotrona ny Fotoam-pivavahana Famaranana ny Fihaonambe ny 17 Septambra 2023 nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora.

HO VONINAHITR’ ANDRIAMANITRA.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email