FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAFATRA PASKA 2020 – Filohan’ny FJKM

Ka isika rehetra izao
No antsoina mba hibebaka
Amin’ny ratsy izay fanao,
Ka tsy hisy hifanebaka

Ary hifampitsaratsara
Fa samy hahay mandini-tena,
Eny, handini-tena tsara
Ka hanao ny fiaikena
Ny amin’ny ratsy izay natao
Izay nanimba na ny tena,
ny ao an-tokantrano ao,
Na ny fiainam-pirenena.
Eny, isika rehetra izao
No tena hanaiky fibebahana,
Dia fibebahana hanavao
Ny fiainam-pivavahana
Mba tsy hatao fisehosehoana
Fa tena hiainana ao am-po
Izay ambara fa inoana,
hisy vokany tokoa
Am’izay atao rehetra.
Ka ‘zay milaza fa mpivavaka
Dia ho hita tsara toetra
Tena hitanao miavaka.
Izay no tena fibebahana
Irariana hanjaka etoana
Dia famelana hahazo vahana
Ny tena asan’ny finoana!

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Mpitandrina Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email