Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

FAHA-70 TAONAN’NY SAMPATI FIVONDRONANA TARATRA FAHA-XV KATEDRALY ANALAKELY

Ny 15 Oktobra 1950 no notokanana ny Fivondronana Taratra faha XV. Isaorana ny Tompo raha afaka mankalaza ny Anarany isika amin’izao faha-70 taona niorenan’ny Sampana Mpanazava sy Tily Fivondronana Taratra XV eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely izao. “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” ; izany tenin’ny Soratra Masina izany, izay hita ao amin’ny Matio 5:14 no […]

Ny Hatsaràn’ny Finoana – Jaona 2, 18-22

Alahady 27 Oktobra 2019 1/ Meteza havaozina : amin’ny alalan’ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy2/ Manaiky famelan-keloka3/ Meteza hifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra : fo madio no ilaina ka hitoeran’Andriamanitra

Nahazo Mpitandrina miza-draharaha vaovao ny fiangonana

Asan’ny Apostoly 1-, 10b : »..satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any » Andriamatoa RANDRIANARISOA Joharivony Samuel, mpiomana ho mpitandrina taona faha-efatra ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, no ho Mpitandrina miza-draharaha, hiara-hiasa amin’ny fiangonana mandritra ny telo volana.

TAFIKA MASINA FJKM AMBOTSIROA MALALA – Miantso ny kristiana hiverina any am-piangonana

Taorian’ny fangatahana nataon’ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA, faritra Mahitsy, dia notanterahan’ny Sampana Fifohazana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Tafika Masina ny Talata 22 oktobra 2019 lasa teo ka ny Filohany Ramatoa Daddie RATSIFEHERA no nitarika izany. 14 no mpikambana nandeha izay nahitana mpiandry 12. Tsy maintsy nisy aloha ny dinika fanomanana izay niarahana tamin’ny […]

Napetraka tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Ny alahady 20 oktobra 2019 lasa teo no notontosaina tany amin’ny FJKM Ambodiriana Fitiavana ny fametrahana tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Ny Filoha lefitry ny Synodaparitany Antsinanana Ankaratra, Andriamatoa RAZAFIARIMANANA Prosper Mpitandrina nitarika ny fotoam-pivavahana.

Ny Rafitra sy ny Fitsipika ary Fomba Fitondrana eo anivon’ny Fiangonana FJKM

Maromaro amintsika mpino FJKM no tsy mahalala ny rafitra sy ny fitsipika ary fomba fitondrana eo anivon’ny fiangonana FJKM amin’ilay Presbyteriana Synodaly PRESBYTERIANA SYNODALY (Fintinina tsotsotra)Fampahafantarana kely: Endri-pandaminana Presbyteriana Synodaly no tapaky ny Synoda Lehibe Voalohany nanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M.) tany Toamasina tamin’ny Aogositra 1968 ary dia mbola voarakitra ao amin’ny […]

Ny Protestantisma

FampahatsiahivanaNy FJKM dia Fiangonana « Réformé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana (Réforme) niseho tany Eoropa 500 taona lasa izay.I Martin Luther no nanomboka izany fanitsiana izany rehefa nahita fa maro ireo fampianaran’ny fiangonana katôlika no tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Fa i Jean Calvin kosa no loharano nipoiran’ny Fiangonana « Réformé ». Ireto avy […]