Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

DINIK’ASA TAONA 2020 NIARAHAN’NY SAMPANA, SAMPAN’ASA ARY FIKAMBANANA (S.Sa.F)

Tontosa ny sabotsy 16 novambra 2019 teo teny amin’ny Centre de Formation Jirama eny Ambohimanambola ny fisintonan’ny sampana, sampan’asa ary fikambanana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka telo ambin’ny folo no isan’izy ireo. Ny Biraon’ny Fiangonana izay notarihin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no nitarika ny fotoana izay natombokatamin’ny 9 ora maraina.

Nahazo Mpitandrina miza-draharaha vaovao ny fiangonana

Asan’ny Apostoly 1-, 10b : »..satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any » Andriamatoa RANDRIANARISOA Joharivony Samuel, mpiomana ho mpitandrina taona faha-efatra ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, no ho Mpitandrina miza-draharaha, hiara-hiasa amin’ny fiangonana mandritra ny telo volana.

Napetraka tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Ny alahady 20 oktobra 2019 lasa teo no notontosaina tany amin’ny FJKM Ambodiriana Fitiavana ny fametrahana tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Ny Filoha lefitry ny Synodaparitany Antsinanana Ankaratra, Andriamatoa RAZAFIARIMANANA Prosper Mpitandrina nitarika ny fotoam-pivavahana.

Alahadin’ny Mpitandrina 06 Oktobra 2019

Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany. Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny « poste d’évangelisation » any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana […]

FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FFKM

« Ho tafakambana tsara ianareo, hiray saina sy hevitra » (1 Kor. 1, 10b ). Io no teny faneva hankalazana ny faha-40 taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy izay hitambaran’ny FJKM, FLM, EKAR, EEM ). Ny zoma 23 aogositra 2019, amin’ny 2 ora no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fijoroan’ny FFKM, ka ao amin’ny EKAR […]

FANKASITRAHANA IREO NIASA HO AN’NY FIANGONANA

Endrika iray nentin’i Ravelosoa Mickaël Mpitandrina eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fankasitrahana ireo niasa ka nahavita ny andraikiny teo amin’ny asan’Andriamanitra teo aloha. Ny Biraon’ny fiangonana sy ireo Mpandinim-bola no nanombohana izany. Ireto avy ireo ny anarana sy ny taona naharetan’izy ireo : NY BIRAOM-PIANGONANA : Rtoa RAJAONERA Hanta – Mpitahiry volan’ny fiangonana – […]

Voatendry any amin’ny SP Antananarivo Atsinanana i Pasteur Hobinirina

RAZAFINDRAKOTO Hobinirina Harisoa Mpitandrina, niza-draharaha teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely nanomboka ny volana aprily 2019, dia anisan’ireo Mpitandrina navoakan’ny FJKM Foibe ny Alahady 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra. Manambady izy ary manan-janaka roa vavy. Toy izany koa Rangahy vadiny dia ny Mpitandrina RAJAONARISON Sterno, samy navoaka teny Antsahamanitra ny androtr’io ihany. Ny taona 2008 izy […]

Fanendrena ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Anisan’ireo Mpitandrina navoaka ny 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA rehefa nahavita ny fanohanana ampahibemaso ho famaranana ny fianarana teny amin’ny Faculté de Théologique Ambatonakanga. Natolotry ny FJKM Katedraly Analakely ho mpianatra mpitandrina ny taona 2013, resy lahatra ary niditra nianatra teny amin’ny toeram-panomanana mpitandrina Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Mbola niasa teo amin’ny sehatry […]