FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAVAOZINA NY TRANO FIANGONANA KATEDRALY ANALAKELY

Hiatrika asa tao-trano maro ny fiangonana manomboka ny volana martsa 2021. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-160 taona ny fiangonana. Fanavaozana tanteraka ny trano fiangonana izany no tanjona ka miainga avy ety ivelany aloha, ary hitohy amin’ny asa anatin’ny fiangonana.

Raha ny tantaran’ny fiangonana dia ny 17 janoary 1973 no notokanana ho KATEDRALY ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely, izay natrehin’ireo olom-panjakana tamin’izany fotoana izany. Io endrika hita maso amin’izao io no novitain’ireo ray aman-dreny teo aloha, ary azo lazaina fa naharitra satria tsy dia nisy tetik’asa fanamboarana goavana izay mahakasika ny trano fiangonana.

Fiangonana FJKM Katedraly Analakely ankehitriny

Ankehitriny anefa dia hita fa efa antitra ny trano fiangonana ka tokony havaozina tanteraka. Izany dia hatomboka amin’ny faritra hita ety amin’ny arabe (façade principale). Azo lazaina fa vaky ny ankamaroan’ireo fitaratra maro loko izay mandravaka ny rindrina avy ety amin’ny arabe. Rehefa nanao ny fitsirihina ny Komity Teknika Tao-trano dia tapitra simba avokoa ireo akora mihazona ny fitaratra ka tsy mahatanty ny firondron’ny fiara eny amin’ny arabe. Efa vitan’ny Komitin’ny fankalazana ny fifanarahan’asa miaraka amin’ireo orinasa hanao ny asa. Ho ravaina tanteraka ireo fitaratra maro loko ka hosoloina vaovao. Izany dia hiafara amin’ny fandokoana ny faritra tanteraka.

Ankoatr’izany dia hisy ireo asa madinika manodidina ny trano fiangonana izay hatao. Tsy maintsy hojerena ny fivarinan’ny ranon’orana sy ny rano maloto, any amin’ny làlana mankany amin’ny trano fisainana satria dia mampiandrona rano rehefa avy ny orana. Anisan’ny havaozina tanteraka ihany koa ny fitarihan-drano mankany amin’ny tranon’ny mpiandry fiangonana, ka mahazo ny lakozian’ny Loholona sy ny Diakona. Efa tsentsina tanteraka ireo làlan’ny rano ka ny manamboatra vaovao no vahaolana haingana. Voakasika ihany koa ny asa tao vy ny fiangonana dia ny vavahady sy ny aro fanina amin’ny totohatra satria efa arafesina avokoa. Ireo rehetra ireo no manamarika fa antitra tanteraka ny fiangonana.

Tanjon’ny komitin’ny fankalazana ny fanavaozana ny trano fiangonana ka ho isan’ny tsangam-bato hatsangana. Eo anatrehan’izany dia fanentanana no hataon’izy ireo, izay efa natomboky ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël, ny amin’ny fifandrombonana amin’ny fanatanterahana ny asa. Azon’ny fiangonana hatao ny mandray anjara amin’ny fitaovana sy akora entina miasa izay hita eto ny mahakasika ny fanoloana ireo fitaratra maro loko.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email