FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny Sekolin’ny Finoana

Ao anatin’ny fanamafisana ny fahalalana ny Soratra Masina dia mijoro izao ny SEKOLIN’NY FINOANA. Ny Vaomieran’ny Fiainam-panahin’ny fiangonana miaraka amin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no manomana izany ka isaky ny sabotsy faharoan’ny volana, izay manomboka amin’ny 7 ora sy sasany.

Faheresan-dahatra izay napetraky ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ho an’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely ny toeran’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny finoana Kristiana. Ankoatry ny toriteny isaky ny Alahady dia misy ihany koa ny “Sabatry ny Fanahy” izay fotoana fohy hizarana ny votoatin’ny toriteny. Fotoana iray ihany koa hanazavan’ny Mpitandrina fohy ny maha-FJKM.

Ankehitriny dia misy ny Sekolin’ny Finoana, izay sehatra hianarana sy handalinana ny maha-kristiana. Ny mahakasika ny “BATISA” no nazavaina nandritra ny sabotsy indroa. Lohahevitra hafa indray no hanohizana izany

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email