FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FISINTONANA VOALOHANY FIKAMBANAN’NY LOHOLONA SY DIAKONA

Taorian’ny fanavaozana ny Fikambanan’ny Loholona sy Diakona dia notanterahana ny Sabotsy 14 desambra 2019 lasa teo ny fisintonana voalohany ka teny amin’ny restaurant le Pavé Antaninarenina no nanaovana izany.

Toy ny mahazatra dia nialohavan’ny mofon’aina sy fampianarana nataon’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël izany ka namerenany indray ny antom-pisian’ny Loholona sy Diakona raha ara-tSoratra Masina.

Amin’ny maha-fisintonana azy dia nentin’ny biraon’ny FLD teo anatrehan’ny Mpikambana rehetra ireo fanavaozana ny fitsipika anatiny mifehy ny fikambanana ka nisy ny natao nanaraka ny toetr’andro. Fotoana iray lehibe io nametrahan’izy ireo fandaminana mikasika ny asa miandry, indrindra ho an’ireo Diakona izay vao mandray ny asa.

Zava-dehibe ihany koa ny fihaonana satria nampitombo ny fifankahalalana. Nisy tokoa ny fiaraha-misakafo izay efa nomanin’ny biraon’ny FLD.

Ny tolakandro moa dia notanterahina ny fiheveran-draharaha manokana izay nitondran’ny biraom-piangonana fanazavana ny tetik’asa sy ny teti-bolan’ny taona 2020. Amin’ny ankapobeny dia hifantoka tanteraka amin’ny fanamboarana ny trano fiangonana isika mandritra ny efatra taona ho avy. Efa navoakan’ny komity teknika ny tao-trano moa ireo tetik’asa fanamboarana fa mbola hisy ny fivoriana hanapahana ny laharam-pahamehana.

Ny Sabotsy 8 febroary 2020 indray ny fihaonan’ny Loholona sy Diakona manaraka ka sady hotanterahina ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email