Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

KRISMASY 2020 : « Amintsika Andriamanitra »

« Indro, ny virjina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe raha adika : Amintsika Andriamanitra.»     Io andalan-tsoratra masina nalaina tao amin’ny Filazantsara araka ny fomba fanoratr’i Matio 1:23 io, no nandravaka ny fankalazana ny krismasy teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny taona 2020. Hevitry ny anarana hoe « Imanoela » izy […]

MANKALAZA NY FAHA-20 TAONANY NY BIBLIOTEKA

“Zaro amin’ny làlana tokony halehany ny zaza…fa ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay”Oha 22,6a – 2Pet 1,25a Noho ny fitantanan’Andriamanitra dia nahatratra ny faha-roapolo taona ny Sampanasa Biblioteka. Ny Alahady 08 novambra 2020 no nankalazaina tamin’ny fombam-piangonana izany. Tsy nikely soroka ny birao am-perin’asa ka nikaroka ireo Ray aman-dreny nanangana sy nanorina ny Sampana roapolo taona […]

ALAHADIN’NY MPITANDRINA 2020

Nankalazaina ny Alahady 04 oktobra 2020 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina ka nandritra ny fidirana anankiroa, dia ny tamin’ny 6 ora sy sasany ary ny tamin’ny 9 ora sy sasany no nanaovana izany. Toy  ny fandaminana isan-taona dia ny Biraon’ny fiangonana no nandray an-tànana ny vavaka sy ny vakiteny izay narahina lahateny fohy. Araka ny […]

TE HO AFAKA VE IANAO ?

Matio 18, 33-35 – Alahady 20 septambra 2020 Manana ny fomba fanahafana omeny Andriamanitra, koa raha te-ho afaka ianao araka ny sitrapon’Andriamanitra dia :

MIKENDRY INONA NY FINOANAO ?

Genesisy 42, 18-21 – Alahady 13 septambra 2020Ny tantaran’i Josefa, ilay namidin’ny rahalahiny no nangalan’ny Mpitandrina RANDRIANARISOA Joharivony ny fampianarana ny Alahady 13 septambra 2020. Nahazo toerana ambony tao amin’ny fitondram-panjakana tao Egypta izy. Nandalo mosary mafy anefa maneran-tany ka izany no nampifanatona azy tamin’ireo rahalahiny.

FOTOANAN’NY FANARENANA IZAO

Hagay 2, 1 – 9 / Alahady 06 septambra 2020 Maro ny zavatra simba sy rava taorian’ny valan’aretina mianjady amintsika ka anisan’izany ny fahasimban’ny fiainam-panahy sy ny fiangonana. Fotoana hirosoana amin’ny fanarenana izao araka izay voalazan’ny  bokin’i Hagay. Ny bokin’i Hagay dia mitantara ny zavatra nitranga tamin’ny zanak’israely avy tany am-pahababoana. Hita ao ny fanarenana […]

NY FINOANA MAHASEDRA OLANA

Joba 2, 1-10 – Marka 10, 32-34 – Asa 21, 10-14. Alahady 30 aogositra 2020 Indray nakana ny lesona ireo andinin-soratra masina telo ireo, entina manazava ny hatanjaky ny finoana manoloana ny olana. Toriteny nentin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 30 aogositra 2020 lasa teo.

HO AN’NY MPANOMPO MAHATOKY :

I Mpanjaka 19, 1 – 10 – Alahady 23 aogositra 2020 Endrika iray hanehoan’Andriamanitra ny fahatezerany ny fampahoriana izay ataon’ny fahavalo. Izany no nahazo ny zanak’israely rehefa nivadika tamin’Andriamanitra, izay efa nanao fanakena taminy. Tsy nijanona tamin’izay anefa Izy fa naniraka ny mpanompony Elia hanafaka azy ireo.