FISINTONANA VOALOHANY FIKAMBANAN’NY LOHOLONA SY DIAKONA

Taorian’ny fanavaozana ny Fikambanan’ny Loholona sy Diakona dia notanterahana ny Sabotsy 14 desambra 2019 lasa teo ny fisintonana voalohany ka teny amin’ny restaurant le Pavé Antaninarenina no nanaovana izany. Toy ny mahazatra dia nialohavan’ny mofon’aina sy fampianarana nataon’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël izany ka namerenany indray ny antom-pisian’ny Loholona sy Diakona raha ara-tSoratra Masina. Amin’ny maha-fisintonana […]
Notokanana ara-pomba fiangonana ny FJKM Androtsy Maranata

Tontosa ny Talata 26 novambra 2019 lasa teo ny fanokanana amin’ny fomba ara-piangonana ny FJKM Androtsy Maranata, synodamparitany Toliara Fihavaozana SP33. Ny Filohan’ny FJKM, Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, ny Filohan’ny Synodaparitany Toliara Fihavaozana, ny fiangonana manodidina an’Androtsy rehetra ary ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana ary ny kristiana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely no […]
Ny Fiomanana amin’ny fiavin’ny Tompo Mat 16. 24-28
Toriteny Alahady 24 Novambra 2019 Matio 16 And.27 « fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny vonihahitry ny Rainy, mbanin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony. » IZAY REHETRA TE HANARADIA AN’I JESOA » 1) Aoka izy handà ny tenany 2) Aoka hitondra ny Hazo Fijaliana Fa ho avy hitsara antsika ny Tompo, […]
DINIK’ASA TAONA 2020 NIARAHAN’NY SAMPANA, SAMPAN’ASA ARY FIKAMBANANA (S.Sa.F)

Tontosa ny sabotsy 16 novambra 2019 teo teny amin’ny Centre de Formation Jirama eny Ambohimanambola ny fisintonan’ny sampana, sampan’asa ary fikambanana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka telo ambin’ny folo no isan’izy ireo. Ny Biraon’ny Fiangonana izay notarihin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no nitarika ny fotoana izay natombokatamin’ny 9 ora maraina.
TENY FANAZAVANA NY TRANOKALAM-PIFANDRAISANA
Nahazo Mpitandrina miza-draharaha vaovao ny fiangonana

Asan’ny Apostoly 1-, 10b : »..satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any » Andriamatoa RANDRIANARISOA Joharivony Samuel, mpiomana ho mpitandrina taona faha-efatra ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, no ho Mpitandrina miza-draharaha, hiara-hiasa amin’ny fiangonana mandritra ny telo volana.
Napetraka tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Ny alahady 20 oktobra 2019 lasa teo no notontosaina tany amin’ny FJKM Ambodiriana Fitiavana ny fametrahana tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Ny Filoha lefitry ny Synodaparitany Antsinanana Ankaratra, Andriamatoa RAZAFIARIMANANA Prosper Mpitandrina nitarika ny fotoam-pivavahana.
Alahadin’ny Mpitandrina 06 Oktobra 2019

Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany. Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny « poste d’évangelisation » any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana […]
FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FFKM
« Ho tafakambana tsara ianareo, hiray saina sy hevitra » (1 Kor. 1, 10b ). Io no teny faneva hankalazana ny faha-40 taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy izay hitambaran’ny FJKM, FLM, EKAR, EEM ). Ny zoma 23 aogositra 2019, amin’ny 2 ora no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fijoroan’ny FFKM, ka ao amin’ny EKAR […]
