KRISMASY 2020 : « Amintsika Andriamanitra »

« Indro, ny virjina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe raha adika : Amintsika Andriamanitra.» Io andalan-tsoratra masina nalaina tao amin’ny Filazantsara araka ny fomba fanoratr’i Matio 1:23 io, no nandravaka ny fankalazana ny krismasy teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny taona 2020. Hevitry ny anarana hoe « Imanoela » izy […]
ALAHADIN’NY MPITANDRINA 2020

Nankalazaina ny Alahady 04 oktobra 2020 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina ka nandritra ny fidirana anankiroa, dia ny tamin’ny 6 ora sy sasany ary ny tamin’ny 9 ora sy sasany no nanaovana izany. Toy ny fandaminana isan-taona dia ny Biraon’ny fiangonana no nandray an-tànana ny vavaka sy ny vakiteny izay narahina lahateny fohy. Araka ny […]
MIVERINA MISOKATRA NY FIANGONANA NY ALAHADY

Taorian’ny fivorian’ny Biraon’ny Fitandremana ny Alakamisy 4 jona 2020 lasa teo dia tapaka fa hiverina hisokatra ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely isaky ny Alahady. Izany dia noho ny fivoahana tsikelikely tao anatin’ny fihibohana izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny valan’aretina. Tsapa tokoa ny fahabangana teo anivon’ny Mpino Kristiana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny amin’ny […]
Mihidy ny fiangonana fa miasa ny teknolojia

Mampahatsiahy ahy tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany izay tranga misy izao. Olana tamin’Andriamanitra ny tsy fahafahana nampitana hafatra tamin’ny mpanara-dia Azy. Nanome vahaolana hatrany Andriamanitra fa ny zava-dehibe dia tafita ny hafatra. Tsy afaka nifandray tamin’ny Kristiana i Paoly Apostoly, i Jaona, Petera na ireo mpitondra hafatra samihafa dia nampiasa ny teknolojia tamin’izany nampitana hafatra dia […]
Fanampiana ho an’ireo Akany fanabeazana sy fitaizana

Fa hoy ny Soratra Masina : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. » Matio 25:40 Isaorana ny Tompo fa vita ny fanaterana ny fanomezana ireo Akany fitaizana miisa 5.Iisaorana ny tsirairay avy izay nanolotra vola sy zavatra nanampiana ireo efa nomanin’ny Fiangonana. Andriamanitra anie […]
Fikatonan’ny Fiangonana -Mpitandrina 54 no nomena fanampiana

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia. » Jaona 13:34 -35 Misaotra ny Tompo fa vita ny fizarana ireo vola voaangotsika ho fanampiana ireo Mpitandrina eto anivon’ny SPIA-19. Ny Biraom-piangonana FJKM mihintsy […]
HAFATRA PASKA 2020 – Filohan’ny FJKM

Ka isika rehetra izaoNo antsoina mba hibebakaAmin’ny ratsy izay fanao,Ka tsy hisy hifanebaka
Ny Sekolin’ny Finoana

Ao anatin’ny fanamafisana ny fahalalana ny Soratra Masina dia mijoro izao ny SEKOLIN’NY FINOANA. Ny Vaomieran’ny Fiainam-panahin’ny fiangonana miaraka amin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no manomana izany ka isaky ny sabotsy faharoan’ny volana, izay manomboka amin’ny 7 ora sy sasany.
HAFATRY NY FILOHAN’NY FJKM – TAONA 2020

Ny Filohan’ny FJKM, mamangy antsika rehetra amin’ny Anaran’i JESOA KRISTY, amin’izao Taona Vaovao 2020 izao: “I JESOA KRISTY NO TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY! Koa AZA MENATRA NY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPONTSIKA! DIA MIORENA TSARA, AZA MIOVA!”
